- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro Ny Tontolon'ny Bilaogy Qatari

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Katara, Ady & Fifandirana, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 16 Aprily 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Namaritra ny fanjakana Qatar bitika kanefa manankarena ho “Firenena kely be fitiavana” ny mpitsangatsangana [1] nandritra ny andro fankalazana ny fahaleovantenany farany. Na dia famaritana tsy manam-paharoa aza izany dia mbola maro amin'ireo ao amin'ny faritra no mieritreritra an'i Qatar ho toy ny “firenena bitika manam-bava ” satria manohana ara-bola sy mampiantrano ny Fantsom-baovao AlJazeera [2] izy izay toa niteraka resabe hatrany.

Tsy mahagaga raha maro ny bilaogy no nitodika tany amin'i AlJazeera. Anisan'ny nalaza indrindra tamin'izany ny ” “Aza Darohana Baomba Izahay – bilaogy avy amin'ny mpiasan'ny AlJazeera” [3] izay nosoratana rehefa nipoaka ny vaovao fa nihevitra handaroka baomba ny foiben-toeran'ny fantsona ao Doha sy ny bilaogy AlJazeera Talk [4] i Etazonia. Mazava ho azy, nisy ihany koa ny mpiasa maromaro no namahana  bilaogy tamin'ny fahaizany manokana – toy ny mpanolotra fandaharana Faisal AlCasim [5] sy Stef ilay mpanolotra ny fandaharan'ny toetr'andro [6]  .

Maro mpila ravinahitra i Qatar ary azo itarafana izany ny tontolon'ny bilaogy Qatari. Ho hitanao ireo bilaogy nosoratan'ireo olona avy amin'ny tontolo mandroso [7] sy andalam-pandrosoana [8] (ary misy ihany koa ny avy amin'izy roa ireo izay nosoratan'i Qataris [9]!). Nanomboka ny Tetikasan'ny Bilaogy Qatar [10] ny Qatar Living [11] tamin'ny taon-dasa mba hampiroboroboana ny famahanana ny bilaogy ao Qatar sy hanampiana ireo bilaogera avy ao Qatar hifandray. Manana bilaogy mihoatra ny 40 izy amin'izao fotoana izao ary mbola hiampy hafa maro izany!

Ireto ny sasany amin'ireo endrika misongadina indrindra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Qatari:

Jereo ity toerana ity ho an'ireo feo mahaliana kokoa avy any Qatar!