- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Clark Boyd Mitafa Amin'i Sokari Ekine

Sokajy: Afrika Mainty, Mediam-bahoaka

(Fanamariahana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2005)

Noraketin'ny namanay Clark Boyd [1] – mpandefa rakipeo no sady mpanangona vaovao ho an'ny fandaharana The World [2] ao amin'ny BBC/WGBH  – ny mombamomba ilay namanay iray Sokari Ekine, nanorona ilay bilaogy Black Looks . Niainga avy any ambanivohitr'i Espaina i Clark ary tonga nitsiika an'i Sokari tany an-tranony tany amin'ny toeram-piompiany ao Velez-Blanco, dia nitafa taminy momba ny fanoratana bilaogy, ny fiainana ambanivohitra ary ny fambolena “cerise”. Resahan'i Sokari ny momba ireo lahatsorany miteraka resabe momba ireo olan'ny pelaka lahy sy vavy, ny olana matetika amin'ny politika Nizeriana sy Amerikàna  ary ireo fanamby amin'ny fampifandanjàna ireo endrika isankarazany amin'ny fiainana mba hanànana fotoana hanoratana bilaogy. ampaham-peo fohy fa lafatra [3] (5 minitra, 4.2MB, mp3) mahakasika ny iray amin'ireo bilaogera afrikàna tena mahaliana . Isaorana ny The World [2] tamin'ny namelàny anay hanolotra ho toy ny rakipeo ho anareo ity dika amin'ny endriny mp3 tamin'ilay tafa ity.

Tany aloha tany teto amin'ny Global Voices: Sokari Ekine blogger profile [4](Ang), podcast interview with Sokari Ekine [5] (Ang).