Bilaogin'i Gaza : Fijoroana Vavolombelona Nataonà Bilaogera Iray (Sabotsy 3 Janoary 2009), Momba Ny Fanafihana An-tanety Nataon'i Israely

(Fanamarihana: lahatsoratra tamin'ny Janoary 2009, Amin'ny teny anglisy ny rohy rehetra ato anaty lahatsoratra raha tsy misy fanamarihana manokana.)

Ny harivan'ny 3 Janoary, nalefan'i Israely ho ao amin'ny lemak'i Gaza ny andian-tafika sy ny fiarany mifono vy.

Vao maraina be ny 3 Janoary no nandefasan'ny Profesora Saïd Abdelwahed, izay mampianatra teny anglisy ao amin'ny anjerimanontolon'i  Al-Azhar, ireo andalana ireo, avy ao Gaza, tao amin'ny bilaogy “Moments in Gaza” (Ny Fotoana ao Gaza) :

Hatreto aloha, OK aho. Niisa sivy ny fanafihana an'habakabaka taty amin'ny faritra misy ahy hatramin'ny 6 minitra lasa izay, ary mbola ratsy lavitra no ho avy eo raha ny eritreritray ! Iny alina iny, sy teo anelanelan'ny 3 ora sy 4 ora, impolo izy ireo no namely lasibatra tao an-tananan'i Gaza. Raha tsy hiresaka ireo totoafo avy any an-dranomasina nataon'ny sambo mpiady israeliana. Nodoran-dry zareo teo am-pitoerany ny sambo folo an'ny mpanjono tao an-toerana! Nandritra ny tolakandro, 35 ireo lasibatra tao amin'ny lemak'i Gaza nolazain'ny fampielezampeo israeliàna. Isan'ireny ny tetezana izay mampifandray ny avaratra sy ny atsimo ao amin'ny faritra atsinanan'ny tanànan'i Gaza, ary ny seranam-piaramanidina ao Rafah. Miharatsy hatrany. Toa tsy ho ela intsony ny fanombohan'ny fanafihana an-tanety!

Amin'izao fotoana izao, tsy manana rano sy herinaratrea aho. Tsy hoe ela dia ho lany solika. Tsy misy ivoahana mihitsy. Mihidy aman-trano izahay hatramin'ny andro voalohany (valo andro izao, ary tsy mbola hay [hoe mandra-pahoviana]!)

Samia ho tahian'Andriamanitra daholo.

Avy eo i profesora namoaka andalana vitsivitsy talohan'ny nanombohan'ny fanafihan'ny israeliàna :

Tsy manana afa-tsy minitra vitsy aho hahafahako manoratra. Fiaramanidina F16 sivy no namely lasibatra teto Gaza. Tany fambolena mirefy 30 kilaometatra no nataon'ny tafondro totoafo tany antsinanan'ny lemak'i Gaza. Avy eo, nanaraka azy ny fanafihana an'habakabaka; nataon'izy ireo lasibatra ny maoske, ny toerana fonenan'olontsotra, ireo biraon'ny gazety al-Resala . Minitra vitsy lasa izay, lehilahy iraikambinifolo nivavaka no maty tamin'ny daroka baomba nahazo ny maoske tao Beit Lahia, nandritra ny fivavahana fanao rehefa mody masoandro (Magreb). Isan'izy ireo ny iraka mpifandray amin'ny al-Aqsa TV. Tsy misy herinaratra, tsy misy rano ; tsy misy aina eto an-tanàna. Araka ny tatitra ofisialy, 400 no maty ary 2300 no maratra. Tsy mandeha intsony ireo telefaona finday ; zara raha afaka miasa ny telefaona mampiasa tariby. Tanàna haolo i Gaza. Mitohy ny fanafihana an-tanety miaraka aminà ‘tank’ roa sy “bulldozer.” iray.

Afaka nifampiresaka tamin'ny rainy any Gaza i Laila El-Haddad, izay any Etazonia amin'izao fotoana izao, ary manoratra bilaogy ao amin'ny  “Raising Yousuf and Noor”, minitra vitsy monja taorian'ny nanambaràna ny fanombohan'ilay fanafihana :

Vao tafody avy any aminà fihetsiketsehana iray mihitsy izahay izao…mbola tsy niteny akory aho, dia ny raiko no niantso ahy hilaza fa efa tena akaiky tokoa ny fanafihana an-tanety, ary nisy baomba iray nandrava ny maoske iray teo akaikin-dry zareo, nahafatesana sivily 11.

Vao avy nilaza tamiko indrindra izy hoe NANOMBOKA ny fanafihana an-tanety. Tafasaraka ny olona rehetra.

Nambarany fa ravan'i Israely ny tilikambo JAWAL telo (mpanome tolotra finday), betsaka ireo telefaona finday, isany ny ahy, no tsy mandeha intsony saingy mbola mandeha ny telefaona mampiasa tariby…

Nolazainy ahy fa nisy tranobe iray potika tao ambadiky ny tranon'ny anadahiko ao an-tanànan'i Gaza, mirehitra midedadeda be amin'izao fotoana izao. Fitaizana zaza kamboty no tao anatiny.

Tsy handainga amiko ny reniko raha ny filazany….Toran-kovitra izy ireo.

Mba hanazavan'izy ireo ny lanitra, nadefasany balafomanga manazava sy baomba mandoro. Feno trakitra fampielezankevitry ny israeliàna nalatsaka tao Gaza hilaza amin'ny olona hoe “Nisafidy ny Hamas ry zareo, nefa nilaozan'ny Hamas”, sy hoe “Ho entin'ny Hamas ho any amin'ny faharavana izy ireo”, hafatra voasoratra eo ambonin'ny sarin'ny tranobe iray potiky ny daroka baomba ; antsoin-dry zareo ny mponina “handray an-tànana ny momba azy” ka hiantso laharana iray, na handefa imailaka aminà adiresy iray miaraka aminà torohay sy manoro hevitra azy ireo hanao izany amin'ny fomba “miafina” misaotra amin'ny torohevitra). Alefan'i Israely amin'ny alàlan'ny fantsom-pahitalavitra al-Aqsa ho ao ihany koa ny fandaharana avy any aminy.

“Mainty toy ny kohl” hoy ny raiko ireo arabe ao Gaza.

Afaka arahanareo amin'ny kaontiny Twitter i Laila El-Haddad : www.twitter.com/Gazamom

Fanamarihana: Raha tapaka ny herinaratra ao Gaza, afaka nampiasa ny solosaina findainy ihany ny profesora Abdelwahel tamin'ny fampiasana ny fihary herinaratra (groupe électrogène) kely nananany, araka ny lazainy ao anatin'ny lahatsoratra iray teo aloha, amin'ny teny anglisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.