- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mamoritra ny Fahalalahana Miteny ny Fitondrana ao Vietnam, Fanagadrana Henjana ho an'ilay Mpaka Sary Mpanao Gazety sady Bilaogera

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Vietnam, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Nguyen Van Hoa, mpanao gazety videasta sady mpampiofana amin'ny fiarovana nomerika. Loharano: pejy Facebook an'i Nguyen Van Hoa

Nomelohin'ny fitsarana iray ao Vietnam afovoany higadra fito taona an-tranomaizina i Nguyen Van Hoa, mpanao gazety mpikirakira sary sy feo, ny 27 Novambra lasa teo, noho ny fitaterana ny hetsi-panoherana ara-tontolo iainana; anisan'ny famoretana tsy mitsahatra mianjady amin'ny asa fampitam-baovaon'olon-tsotra mandeha amin'izao fotoana izany.

Telo andro monja taty aoriana dia niakatra fitsarana iray ka nahazo 10 taona an-tranomaizina i Nguyen Ngoc Nhu Quynh, mpitantana bilaogy, izay mitondra ny solon'anarana hoe Me Nam na Reny Holatra noho ny lahatsoratra tao amin'ny tambajotra sosialy facebook mikasika ny zon'olombelona sy ny olana ara-tontolo iainana mahatafiditra ny polisy sy ny herim-panjakana hafa.

Voampanga ho nanao “fampielezan-kevitra manohitra ny fanjakana” araka ny andininy faha-88 ao amin'ny lalàna any Vietnam i Hoa 22 taona. Mifandraika tanteraka amin'ny tatitra nataony momba ny hetsi-panoherana maro nanaraka ny loza voajanahary iray izay nitarika fahafatesana trondro an-taoniny maro [2] nanerana ny morontsiraka afovoan'i Vietnam tamin'ny volana Aprily 2016 ny fiampangana.

I Hoa no olona voalohany nampiasa drôna fakantsary manidina [3] mba hampitana mivantana ny hetsi-panoherana eo ivelan'ny toeram-pambolena Formosa Ha Tinh Steel izay naseho ho antony mahatonga ny fiparitahan'ny poizina. Naparitaka nanerana ny haino aman-jery sosialy Ireo sarin'olona mihoatra 10000 teo ivelan'ny vavahadin'i Formosa.

Notazonina [4] tamin'ny Janoary 2017 i Hoa, mpampiofana ara-piarovana sy mpandray anjara tsy tapaka amin'ny haino Free Asia, ary noampangaina ho “manararaotra ny zo demaokratika hanohintohina ny tombotsoan'ny fanjakana” tamin'ny voalohany. Novaina tsy nisy antony ny fiampangana azy amin'ny volana jona; araka ny voalazan'ny fianakaviany [5].

Nanao sonia [6] fanambarana iray izay mitaky ny governemanta Vietnamiana mba hanafaka an'i Hoa amin'ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety amin'ny volana Mey Ny vondrona mpandala ny zon'olombelona sy ny nomerika. Hoy ny fanambarana iombonana:

Repressing citizen journalists is not only a violation of human rights but also a major impediment to Vietnam’s aspirations to become a tech and innovation hub.

Tsy vitan'ny hoe fanitsakitsahana ny zon'olombelona ny famoretana ireo olon-tsotra mpampita vaovao fa vato misakana lehibe amin'ny fanirian'i Vietnama ho lasa fihaonan-dalan'ny teknolojia sy ny fanavaozana ihany koa.

Raha nisambotra an'i Hoa ny polisy teo an-toerana tany am-piandohana, namely azy ara-batana izy ireo ary nogiazan'izy ireo ny fitaovany nandritra ny fotoana tsy namelana azy hivezivezy tamin'ny volana Novambra 2016,araka ny filazan'i Rohit Mahajan [4] mpitondra tenin'ny haino Free Asia.

[7]

Mpanao gazety amin'ny feo sy sary ary mpanofana fiarovana nomerika Nguyen Van Hoa. Loharano: pejy Facebook-n'i Nguyen Van Hoa

Nampahafantatra an'i Loa, fomba fampitam-baovao hafa am-peo izay mitatitra ny momba an'i Vietnam, ny fianakaviany fa iray andro mialoha ny fitsarana ampahibemaso izy ireo vao nampahafantarina ny fitsarana azy ampahibemaso.

(Fanamarihan'ny tonia : ny Loa, izay mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices, dia tetikasan'ny vondrona politika antsoina hoe Viet Tan izay mampiroborobo ny demaokrasia ao vietnam. Ny mpanoratra ity lahatsoratra ity ihany koa dia mpikarakara ny Viet Tan.)

Tao anatin'ny fifanarahana amin'ny governemanta Vietnamianina, nanaiky handoa 500 tapitrisa dolara amerikana izay kianin'ny [8] [mg] maro ho tsy misy dikany raha oharina amin'ny voka-dratsiny naterany ny Formosa. An'arivony amin'ireo mpanarato no mbola nanohy ny fanoherana [9] ny fanonerana tsy ara-drariny na dia teo aza ireo manam-pahefana niezaka nampiato [10] ny fihetsiketsehana.

Miatrika famonjana lava ihany koa ireo olon-tsotra mpampita vaovao sy bilaogera izay nitatitra momba ny loza naterak'i Formosa. Neny Holatra izay voasambotra tamin'ny oktobra 2016 ny iray tamin'izy ireo ary voampanga ho manao “fampielezan-kevitra manohitra ny fanjakana”

Tamin'ny volana jona 2017 izy voaheloka 10 taona an-tranomaizina noho ny lahatsorany, didim-pitsarana nohamafisina tamin'ny 30 Novambra [11] tamin'ny fampakarana ny fitsaràna izay naharitra ora vitsivitsy monja.

[12]

Nguyen Ngoc Nhu Quynh (afovoany) nanatrika ny fampakarana ny fitsarana azy tao Nha Trang, 30 Nov 2017. Sary natolotry ny Radio Free Asia.

Nesorina tamin'i Vo An Don, iray amin'ireo mpisolovavany sady malaza amin'ny fiarovana ny zon'olombelona, ny lisansany tamin'ny 26 Novambra, efatra andro talohan'ny fitsarana azy ka tsy nahafahany hisolo tena azy nandritra ny fitsarana. Ny fikambanana Phu Yen Bar no nanaisotra ny fahazoan-dalany.

[13]

Ny mpisolovava Vo An Don (faha efatra avy aty ankavanana) miaraka amin'ny vondron'olona miandry ery ivelan'ny efitrano fitsarana mandritra ny fitsarana an'i Neny Holatra. Loharano: pejy Facebook-n'i Vo An Don.

Nanohitra ilay fanapahan-kevitra tao amin'ny Facebook [14]-ny i Vo An Don

This decision is effective immediately, ends my dream of being a lawyer defending the poor and leaves many unjust cases open.

Nihatra teo noho eo ity fanapahan-kevitra ity, ary  namarana ny nofiko ho mpisolovavan'ny mahantra ary mamela ireo raharaha tsy ara-drariny misokatra.

Ireo tranga roa ireo dia ampahany amin'ny famoretan'ny [15] fitondrana Vietnamiana amin'ny fahafahana miteny. Maherin'ny 25 ireo mpikatroka [16] nosamborina, namoahana didy fampisamborana na lasa an-tsesitany hatramin'ny Janoary 2017. Ny didy fanagadrana navoakan'ny fitsarana tamin'ireo mpikatroka toa an-dry Hoa sy Neny Holatra no marika mampikorontan-tsaina amin'ny toeran'ny zon'olombelona ao vietnam.