Songadina Amin'ny Fandaharana: Ny Ho Avin'ny Resadresaka Nomerika Ao Sri Lanka

Mampiasa media sosialy ireo sampam-pahalalam-baovao, ny governemanta, ny mpitondra fivavahana sy ny mpitari-kevitra manerantany mba hizara vaovao sy hampandray andraikitra ny mpihaino. Matetika mikorontana ireo fifanakalozan-kevitra ireo, ary misy ireo vondrona sasany mangina noho ny fampijaliana sy ny fanorisorenana. Avy any Sri Lanka, firenena iray mbola eo am-piarenana taorian'ny ady mahatsiravina izay nifarana tamin'ny taona 2009 – dia ahitana lesona azo tsoahina momba ireo sehatra sy toerana nahitàna olona nahomby-na tsy nahomby – nifanerasera tamin'ny adihevitra sarotra.

Hitrandraka ireo fahafahana sy ny risika manodidina ny ankehitriny sy ny hoavin'ny tontolon'ny aterineto ao amin'ny firenena izay vao avy nandalo ady, saingy tsy mbola vita fifandonana ireo mpandray fitenenana matihanina amin'ny media sy ireo mpitari-kevitra Sri Lankey.

 

Asabotsy 2 Desambra amin'ny 10 ora sasany ao amin'ny Main Stage ao amin'ny TRACE Expert City. [Mariho fa efa hita ato amin'ny teny malagasy izany resadresaka izany.]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.