Threatened Voices: Tahiry Ho Fandraketana Ireo Fandrahonana Fanehoan-kevitra Antserasera

Mikendry hanohana ireo bilaogera, mpilaza tantara, mpanao gazety ary ireo hafa izay manao ny asa fiarovana ny zontsika haneho hevitra an-kahalalahana amin'ny alàlan'ny fikatrohana ataon'izy ireo sy ny asan'izy ireo ny tetikasa vaovao farany an'ny Global Voice, Threatened Voices (Feo Voarahona).

Nampahafantatra ny tetikasa tamin'ny alalan'ny fanomezam-boninahitra ireo olona vitsivitsy izay niasa tamim-pahasahiana ho an'ny fahalalahana miteny ny ekipa. Anisan'izany ireto tononina manaraka ireto:

  • Avijit Roy bilaogera Amerikana-Bangladeshita maty nisy namono tao Dhaka
  • Mahlet Fantahun nandany 18 volana an-tranomaizina tao Ethiopia noho ny fitsikerany ny governemanta
  • Mpanao gazety Meksikana Cecilio Pineda Birto maty nisy nitifitra tao Guerrero tamin'ity taona ity, rehefa avy namoaka lahatsoratra momba ny heloka bevava, ny olana ara-tsosialy ary ny kolikoly.
  • Atena Farghadani izay nogadraina tao Iran noho ny sariitatra nataony momba ny fanabeazana aizana

Nanjavona tao amin'ny fonjan'i Syria taona maro lasa izay ilay bilaogera Palestiniana-Siryana Bassel Khartail Safadi ary voalaza fa maty volana vitsy monja lasa izay

Nahatsiaro an'i Bassel Khartabil Safadi, maherifo Palestiniana-Syriana novonoin'ny fitondran'i Assad, nandritra ny fotoana niresahana ny feo voarahona tamin'ny #GV2017#SriLanka@globalvoices@Trace izahay

“Niasa mba hilaza tantara, hiaro ny zon'olombelona, ary hitazona ny tompom-pahefana hanao adidy ireo olona rehetra ireo”, hoy ny talen'ny Global Voices Advocacy Ellery Biddle taminay.

*Mihoro-koditra* izahay eto amin'ny # GV2017 raha nahatsiaro ireo bilaogera feno herim-po, ireo mpikambana ato amin'ny @GlobalVoices, ireo mpilaza tantara ary ireo mpikatroka izay nogadraina, notampenam-bava, nampijaliana sy novonoina noho ny hetsika nataon'izy ireo. #threatenedVoices#gvsummit17

Jereo ny tetikasa vaovao Threatened Voices avy amin'ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.