Fantaro Ny Aterineto Any Atsimon'i Ekoadaoro

(Marihina fa tamin'ny 13 Aprily 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

293821128_e47be4e811

Sarin'i Loja, Ekoadaoro avy amin'i Milton Ramirez

Firenena iray kely fahazoana aterineto i Ekoadaoro ary mila manangom-bola ny ankamaroan'ny mpisera Ekoadaoriana mba handehanana any amin'ny cybercafe iray na mba handoavany manokana ny saran'ny fifandraisana izay lafo. Mahaliana kokoa ny zava-misy raha jerentsika ireo faritany Ekoadaoreana mahantra any atsimo toy ny any El Oro, el Azuay ary Loja. Any amin'ity faritra farany ity no nahitana ny fitomboan'isan'ny teknolojista maro sy ny matihanin'ny bilaogy manokana. Fitaovana tamin'ny fampivoarana ilay antsointsika hoe asa fanaovan-gazetin'olom-pirenena ny Oniversite Teknika ao Loja. Natao tao amin'ny oniversite ny fankatoavana ny fandrosoana ary notaterin'ny mpanao gazety Ekoadaoreana sady bilaogera Christian Espinosa [ES] izany izay nanamarika ny fihaonana voalohany nataon'ny bilaogera nokarakarain'i Calú [ES], ary nangataka ireo bilaogera Ekoadaoreana izy mba hifandray bebe kokoa amin'ireo namany any atsimo.

Misy ny “tokonam-pivoaran'ny” ny bilaogera ao amin'ny faritra, araka ny fiantson'i Profesora Espinosa azy. Nanao tetikasa antserasera maro tao an-tanàndehiben'i LojaViva el Ecuador izay mikendry ny hanampy ny fihariana ao an-toerana ary hisarihana ny fizahantany ao amin'ny faritra. Ary manana ny vavahadim-bilaogin'olom-pirenena azy manokana ny Oniversite Teknika ao Loja (UTPL) .

When you come to visit Ecuador, don't leave without getting to know the bloggers of Loja as well as the city and province.

Rehefa tonga hitsidika an'i Ekoadaoro ianao dia aza mandeha aloha raha tsy fantatrao ireo bilaogeran'i Loja sy ny [bilaogeran'ny] tanàndehibe ary ny [bilaogeran'ny] faritany.

Nadikan'i David Sasaki avy amin'ny teny Espaniola

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.