Nolavin'ny Afgàna ny Fandraràna ny WhatsApp, Vitany ny Nampilefitra ny Fanjakàna

Sary avy amin'ny Max Pixel. Sehatra ho an'ny daholobe CC0.

Tao Afghanistàna, nasongadin'ny fandraràna tsy nahomby natao an'ireo fampiasa roa malaza indrindra fandefasana hafatra ny ahiahin'ny fanjakàna momba ny fandriampahalemana sy ny fahaiza-mitaonan'ireo mpampiasa aterineto manoloana ireo mponina 35 tapitrisa ao amin'ilay firenena.

Tao anaty fanambaràna ofisialy nataony ny 1 Novambra, nanome baiko ho an'ireo mpanome tolotra aterineto ny Minisitry ny Fampahalalambaovao sy ny Teknolojia  mba hisakanana ny  WhatsApp sy Telegram, ireto roa ireto izay tafapetraka tao Afghanistàna noho ny fitomboan'ny fahafahana miditra aterineto amin'ny finday.

Ny 2 Novambra, nobahanan‘ny iray amin'ireo orinasam-panjakàna goavana amin'ny resaka fifandraisandavitra ireo fampiasa roa ireo. Nampiakatra ny feony hatrany hatrany ireo mpitsikera, indrindra fa tao amin'ny Facebook. Andro vitsivitsy taty aoriana, nihaona ary nanatsiny ilay fandraràna ire tomponandraikitra roa ambony indrindra ao amin'ny firenena, ny filoha Ashraf Ghani sy ny filohan'ny mpanatanteraka Abdullah Abdullah.

Tena hiaro tokoa an'ireo Afgàna ve ny fandraràna ny WhatsApp?

Nangataka roapolo andro, saingy tsy nanome izay antony anaovana io hetsika io, ny taratasy nalefan'ny ministera mba hanandramana tsy misy fetrandro ilay fandraràna. Nanamafy tao amin'ny BBC ilay tale lefitra ao amin'ny Antokon-draharaha mpandrindra ny fifandraisandavitra, departemanta iray ao anatin'ny Minisiteran'ny Fampitambaovao sy ny Teknolojia, hoe “resaka fiarovana” no antony nanosika ny fametrahana ilay fandraràna.

Efa an-taona maro, tototra sy tsy nahafehy intsony ireo fitroarana nitam-piadiana ny governemanta afgàna, izay niha-nahery vaika rehefa nizarazara ho ankolafy mpifandrafy ireo tena mpifanandrina aminy, izay tsy iza fa ireo Talibàna.

Toa hoe nampiasa WhatsApp sy Telegram ry zareo Talibàna ho rafitra fanafenana ny fifandraisana eo amin'izy samy izy, saingy toa tsy izy ireo irery ihany no nisafidy ireo fampiasa ireo. Tamin'ny Jolay 2017, ho an'io fampiasa io, Facebook (renin'ny  WhatsApp) dia nanana mpampiasa efa maherin'ny iray lavitrisa isanandro .

Tsy fantatra mazava izay isan'ireo mpampiasa WhatsApp ao Afghanistàna, saingy, saingy ilay fampiasa kosa  malaza be any amin'ireo tanandehibe misy aterineto somary tsy azo ianteherana loatra amin'ny finday, toy ny ao  Kaboul, Mazar-e-Sharif, Herat, Kandahar sy Jalalabad. Mikolokolo ny fisian-dry zareo any akaikin'ireo tanàna dimy ireo ry zareo Talibàna, ary mavitrika ao amin'ny faritr'i Jalalabad ireo vondrona nanao tokim-panompoana tamin'ny Fanjakàna Islamika.

Anatin'ireo enina tapitrisa mpampiasa media sosialy ao amin'ilay firenena, toy ny sivana no nandraisana ilay fandraràna fa tsy hoe fiahiana ny fandriampahalemana, ary toy ny loza mananontanona tsy mivantana ho an'ireo loharanom-baovao ety anaty serasera izay tena sarobidy tokoa, toy ny Facebook.

Ilay mpanao gazety, Habib Khan, dia nanohitra ilay fandraràna:

‪Say NO to government censorship!
Blocking What's App & Telegram is just the beginning of government's censorship. If it's not resisted, soon the gov't will block Facebook, Twitter and other social media and messaging platforms.
Such bans contradict democratic values and norms and compromise on the citizens’ freedom.

Manaova TSIA amin'ilay sivana apetraky ny fanjakàna!
Vao ny fiandohan'ny sivana ataon'ny governemanta fotsiny ny fandraràna ny WhatsApp & Telegram. Raha tsy toherintsika io, hobahanan'ny governemanta tsy ho ela koa ny Facebook, Twitter sy ireo media sosialy ary ireo sehatra hafa fandefasana hafatra.
Mifanohitra amin'ny soatovina demaokratika sy fandraràna tahaka izany ary manohintohina ny fahalalahan'ny olompirenena.

Manontany tena ilay mpiaramiasa ato amin'ny Global Voices, Maisam Iltaf, momba ilay fetra roapolo andro:

Manontany tena aho, inona ilay isa majika 20 ao ambadik'ity fandraràna kidaladàla ity

Parwiz Kawa, izay mamoaka ilay gazety mpiseho isanandro manana ny lanjany ao amin'ny firenena, Hasht e Subh Daily, manazava amin'ny BBC hoe i Afghanistàna dia firenena misokatra :

The public reaction – including our own front page – is to resist. We can’t tolerate any ban on social media or any censorship… If the Taliban or others are using these services, find out who is using them, don’t ban them- that’s very sensitive at this stage of Afghanistan’s development.

Ny hanohitra no fihetsika nasetrin'ny daholobe, anisany ny pejy voalohany eto aminay. Tsy afaka mihitsy izahay ny handefitra amin'izay rehetra mety ho fandraràna media sosialy, na fanivànana… Raha mampiasa ireny tolotra ireny ry zareo Talibàna, na ny hafa, karohy hoe iza ilay olona, fa aza raràna ireo [fampiasa] – tena zavatra manana ny lanjany amin'ny fampandrosoana an'i Afganistàna amin'izao fotoana izao izany.

Mukhtar Wafayee, malaza amin'ny fanaovana fanadihadiana an-gazety, dia nametraka farateny henjana ho an'ny filoha afgàna, Ashraf Ghani :

حک می‌کنیم.
صف حاکمان مستبد باید مشخص باشد. اگر فرمان مسدود ساختن تلگرام و واتساپ پس گرفته نشده و از مسدود شدن صفحات مشخص شده‌ی فیسبوک جلوگیری نشود، نام اشرف غنی نیز در کنار دیکتاتورهای سرکوبگری همچون علی خامنه‌یی، رجب طیب اردوغان، رابرت موگابه، پوتین، کیم جونگ اون، بشار اسد، شاه عربستان و ده‌ها تن دیگر از دشمنان آزادی بیان اضافه می‌شود.

… tsy maintsy esorina avy hatrany io fandraràna io, na ny anarana Ghani no ho atsofokay ho tohin'ny an'ireo mpanao didy jadona toa an'i Poutine, Bashar Assad, Kim Jong Un sy ny maro hafa.

Fihemorana

Fotoana vitsy taorian'io fampiakarampeo faobe io dia nofoanana ilay fanapahankevitra. Namoaka fanambaràna nihanihany ho an'ny gazety ny biraon'ny filoha Ashraf Ghani, nanipihany ny hoe fiantohana ny fahalalahana maneho hevitra ao anatin'ny lalàm-panorenana.

“Mahatsiaro ho tomponandraikitra [amin'ny fahalalahana maneho hevitra] ny governemantan'ny fampiraisam-pirenena… Tsy ho avelan'ny governemanta hisy mihitsy rantsana na andrim-panjakana hametraka fandraràna ireo fitaovana mifamatotra amin'ny fahalalahana maneho hevitra.”

Nihaona androany ny filoha Ashraf Ghani sy ny Lehiben'ny Mpanatanteraka, Abdullah, ary nanapaka hevitra fa tsy hisy mihitsy fandraràna ny WhatsApp sy  Telegram eto Afghanistàna.

Tsy izao no voalohany nampisehoan'ny governemanta afgàna ny fikorontanan-tsainy momba ireo fitaovana fampitambaovao ho an'ny daholobe.

Tamin'ny 2014, toa notsinontsinoavin'ireo mpanome tolotra aterineto ny fangatahana iray avy amin'ny governemanta hanakànana ny Facebook nandritra ny fifandirana lavareny nifandraika tamin'ny fifidianana. Nanamafy ny governemanta fa hoe nanampy trotraka ny fiakaran'ny maripàna teny anivon'ny vahoaka ireo kaonty Facebook, tamin'ny alàlan'ny famoahana votoaty mandranitra / mihantsy.  Niampanga io fikasàna hibahana io ireo afgàna mpampiasa Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.