- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Paositra Ao Rosia

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Hehy, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tsidika

(Marihina fa tamin'ny 7 Martsa 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Eo amin'ny adiny folo eo ny mandeha fiarandalamby mankany Kyiv, Okraina raha miala ao Moskoa, Rosia. Saingy ny taratasy alefa amin'ny Air Mail avy ao Moskoa dia tsy tonga any Kyiv raha tsy efa ho folo andro.

Manolotra ny sary fampitahana [1] eo amin'ny asan'ny paositra tena tsy mahomby ao Rosia sy ny paositra any ivelany toy ny Sampan-draharahan'ny Paositra any Etazonia ny mpisera LJ valkorn  (nasongadina teto [2] ny karatra paositaly fahatsiarovany ny fitsidihana an'i Moskoa tamin'ny volana Novambra 2006):

The logos of these two organizations provide a clear reflection of the way they work:


[image slightly altered to fit the GV format]

It becomes obvious right away why it takes three days for a package from the States to reach Russia, and then a month to reach the addressee in Moscow.

Mampiseho mazava ny fomba fiasan'izy ireo ny sary famantarana ireo orinasa roa ireo :


[sary somary nasiana fanamboarana mba hifanaraka amin'ny endrika GV]

Tonga dia mazava avy hatrany ny antony mahatonga ny fonosana avy any Etazonia telo andro no tonga any Rosia, ary iray volana vao tonga any amin'ny andefasana ao Moskoa.

Ireto ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra:

valkorn: I've heard a cute hypothesis: that the Russian Postal Service actually exists for distribution of bills and election campaign leaflets, and the rest of the traffic is comparatively small and receives the leftover attention.

darkcjc: I've not only heard but know firsthand about the practice of pushing back all orders and a complete switching to printing campaign materials on the eve of the election by virtually every printer… Perhaps, the post is used for this, too. Well, and also to deliver draft notices to draftees [povestki].

pinwizz: Beginning last fall, draftees get their draft notices for the following years right at the draft center. It's more reliable and faster than USPS. I recommend it to everyone.

ghost_deep: Do you think it's worth trying to [send letters] through the military? ^_^

 

[…]

spinka: One of my LJ friends received her full Sex and the City edition from the American Amazon.com after half a year of waiting. During this period, they managed to send her a replacement set =)

 

[…]

alyonka: Subconscious pushes itself outside during the creation of a logo, and the creators are expressing not what they would like to express, but the truth 🙂 Symbols…

 

[…]

kitaycev: If I'm not mistaken, it takes no less than 2-3 days to receive a letter sent within Moscow.
2007-03-06 04:48 am none (UTC)

 

[…]

__mixa__: Once I got a package from London to Khabarovsk in four days. It's sad that that was an exception, not a rule, and that usually packages shake their way to us on trains for two to three months 🙁

 

valkorn : Efa reko ny petrakevitra mahatonga izany: natao ho fizarana faktiora sy ny taratasy fampielezan-kevitra fifidianana ny Sampan-draharahan'ny Paositra Rosiana ary tahaka ny atao ambanin-javatra ny sisa amin'ny fifamoivoizana .

darkcjc : Tsy nandre fotsiny aho fa nahita mivantana mihitsy ny fomba fiasa amin'ny fanisahana tanteraka  ny fanafarana rehetra aloha mba hamitana ny (fampitana) ireo fitaovana fanontam-pirinty hanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana any amin'ny ankamaroan'ireo mpanonta printy rehetra … Angamba, natao ho an'izany ihany koa ny paositra . Eny, ary koa hamoahana taratasy filazana ho an'ireo miaramila vaovao [povestki].

pinwizz : Nanomboka tamin'ny fararano farany teo, naharay ny taratasy filazana ny miaramila zazavao ho an'ny taona manaraka  tao amin'ny foibe fandraisana zazavao. Azo antoka kokoa izany sady haingana kokoa noho ny USPS . Manoro hevitra izany ho an'ny olon-drehetra aho.

ghost_deep : Mihevitra ve ianao fa tsara ny manandrana [mandefa taratasy] amin'ny alalan'ny miaramila? ^ _ ^

[…]

spinka :  naharay ny fanontana feno ny ‘Sex and the City’ avy amin'ny Amazon.com Amerikana ny namako mpisera LJ iray rehefa niandry enimbolana. Nandritra io fotoana io, nandefasany solony aloha izy =)

[…]

alyonka : Tonga ny feon'ny fieritreretana mandritra ny famoronana sary famantarana, ary tsy maneho izay tiany hambara ireo mpamorona fa ny marina 🙂 Endrika Famantarana…

[…]

kitaycev : Raha tsy diso aho, tsy latsaky ny 2 na 3 andro ny fandraisana taratasy alefa ao Moskoa ihany.
2007-03-06 04:48 maraina (UTC)

[…]

__mixa__ : Indray mandeha aho nahazo fonosana tao Khabarovsk avy any Londra tao anatin'ny efatra andro. Nampalahelo fa zava-naningana iny fa tsy araka ny fenitra mahazatra, ary matetika mandeha fiarandalamby mandritra ny roa na telo volana ny fonosana vao tonga aty amintsika 🙁