- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Valintenin'i Zaid Hassan Momba Ireo Daroka Baomba Tao Londra

Sokajy: Eoropa Andrefana, Angletera, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2005)

Ny namanay Zaid Hassan – iray amin'ireo tomponandraikitry ny tetikasa fandraharahàna Pioneers of Change (mpisava lalana ho an'ny fanovàna) – dia mandefa ireo fijeriny amin'ny maha-teratany avy ao Londra sy miozolomana azy mikasika ireo daroka baomba tamin'ny 7 jolay [1]:

Tamin'ny tolakandro teo, tao amin'ny maoske, nisy polisy vavy roa nijoro tao ivelany, nanao ambonin'akanjo mavomavo manjelanjelatra. Efa somary antitrantitra ny iray. Tsy nahasakana ahy tsy handefa eritreritra hoe “polisy vavy?” Tena mahatalanjona. Manontany tena aho hoe inona no dikan'izao? “Nampatsiahy anay ny mollah fa mba soa ho anay izany ary tokony haneho fanajàna isika. Nisy tovolahy iray hitako niresaka tamin'izy ireo. Nony avy teo, tao anatin'ny toerana misy ny donar kebab, tovolahy somaliàna kely iray nihomehy no nanankina ny namany teo amin'ny hidim-baravarana, sady nihiaka hoe “voasambotra ianareo!” Mijery tsy mipi-maso ireo fotsy hoditra.

Sarotra ny fanontaniana navoitran'i Zaid, “Nahoana no tsy misy olona miresaka mikasika izay anton'ireo fanafihana tao Londra?”

Nahoana no tsy misy olona miteny momba ny tsy fahamarinana? Tsy mibaribary mihitsy ve? Isika rehetra samy mahalala tokoa tokoa ny antony voalohany miteraka ny fampihorohoroana, ny maha-tsy rariny ny fihetsika tahaka izany? Fantatsika tokoa tokoa fa raha hadalàna ny fampihorohoroana, tsy hadalàna teraka noho ny fiheverantena ho ianjadian'ny hery mihoatra noho izay takatry ny saina? Noho ny fitatazana ny vokatra faran'ny tsy rariny marobe tsy azo leferina? Noho ny tsy fanànana ranomaso harotsaka, noho ny faharitan'ny fitserana..

Mikaroka fitserana manodidina ahy aho fa tsy mahita. Hitako ny hafanam-po, ny fahasahiana, ny fizahozahoana, ny hirifiry, ny tahotra, ny alahelo, saingy tsy ao ny fitserana. Tsy misy fitserana no sady tsy misy rariny/fahamarinana.