- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Siriana Mpanao Gazety An-tserasera Nogadraina Roa Taona Tao Anatinà Fepetra Mandika Ny Maha-olombelona

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jona 2005)

Nandritra ny taona faharoa nianarany ho mpanao asa an-gazety, Massud Hamed, siriàna mpianatra, 29 taona, dia  nandefa sary mikasika fihetsiketsehana iray am-pilaminana nataon'ny kiorda nanoloana ny foiben'ny UNICEF tao Damas, teo aminà vohikala kiorda iray. Ny 24 jolay 2003, nandritra ny fanadinana tao amin'ny anjerimanontolon'i Damas, nosamborin'ny mpitandro filaminana tao an-toerana izy ary, ny 10 oktobra 2004 kosa, voaheloka higadra telo taona noho ny nahafantarana fa mpikambana aminà fikambanana miafina sy “nanandrana nanambatra ny ampahany amin'ny tany Siriàna taminà firenena hafa.”

Araka ny voalazan'ny RSF [1], “im-betsaka nampijaliana i Hamed nandritra ireo volana maro taorian'ny nisamborana azy”, anisan'izany ny fikapohana ny tongony tamin'ny karavasy misy fantsika, izay nitarika ireo tongony ho malemy, safotra ihany koa izy sady narary an-doha ary ratsy koa ny fahitàny satria tsy navela nanaovany ireo solomasony.”

Niantso ny sekretera jeneralin'ny Ligy Arabo, Amre Moussa, ny RSF, mba hirotsaka an-tsehatra amin'ny  anarany hiresaka amin'ireo Siriàna tomponandraikitra. Na izany aza, mieritreritra i Mohammed [2] fa tsy hanao na inona na inona mikasika an'io i Moussa. (Misaotra an'i Mohammed nampatsiahy an'io)