Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Novambra, 2017

Tantara tamin'ny Novambra, 2017

28 Novambra 2017

Ao Anatin'ny Tontolo Midadasik'ilay Sarimihetsika ‘Valerian’ , Misongadina Manokana i Okraina

Ny manokatra ny sehatra ao anatin'ilay sarimihetsika dia fampidirana ahitàna ny tarik'ireo Okrainiàna mpanamory sambondanitra tarihan'ny vehivavy iray mitondra ny sainam-pireneny eo amin'ny tanàn'akanjony

27 Novambra 2017

Miblaogy Momba Ilay Fipoahana Tao Londra

Azafady, avelao izahay hahalala ireo vohikala tsara hafa sy ireo rafitra hafa fanamarihana izay mampitambatra ny fanoratana blaogy mifandraika amin'ny fipoahana baomba tao Londra.

Carabaos Sy Ny Tanimbary: Topimaso Amin'ny Fiainana Any Ambanivohitr'i Filipina

Amin'ireo sary izay ifampizaràny amin'ny Global voices, tsy ireo sehatra mampiavaka manokana ao amin'ny tanàna iray mpamboly ihany akory no nopihany ho sary, fa angamba koa, mety tsy ho tsy fanahy niniany, ny endriky ny fambolena ao Filipina.

Taiwan: Ireo Trano Ovni

Misy trano tsy misy mipetraka ao Green Bay ao amin'ny faritr'i Taipei. Nantsoin'ny olona maro ao amin'io faritra io hoe 'trano ovni' izy ireo noho ny bika aman'endriny izy ireo .

Maraoka: Nogadraina Ilay Mpankafy Barça Raha Nanoratra Hoe “Andriamanitra, Tanindrazana, Barça”

Maro ireo bilaogera no gaga raha nahafantatra fa voaheloka higadra 18 volana  ny tanora Marokana iray noho ny heloka madinika. Ilay zatovolahy, mpankafy Barça, dia voalaza fa nanoratra hoe "Andriamanitra, Tanindrazana, Barça" teo amin'ny solaitrabe tao an-dakilasiny . Ny teny filamatra ao Maraoka dia hoe "Andriamanitra, Tanindrazana, Mpanjaka".

26 Novambra 2017

Maraoka: Mandray Anjara Amin'ny Fihaonamben'ny Tanora Ilay Mpanoratra Ato Amin'ny GV

Tanora mpitarika feno fahazotoana tsy mampino avokoa ireo mpandray anjara tamin'ny fihaonambe, ary niresaka momba ireo hevitra mahafinaritra mba hampandray anjara an'ireo vondrom-piarahamonin'izy ireo tsirairay. Manantena ny hahita bebe kokoa 2007 DABA aho.

Ireo Manankarena Sy Matanjaka Any Kamerona

Nanoratra ny lisitr'ireo lehilahy mpanankarena sy matanjaka indrindra ao Kamerona ny bilaogera Kameroney iray.... Eo ho eo amin'ny 80 ka hatramin'ny 90 taona eo avokoa izy ireo, ao amin'ny governemanta ankehitriny na teo aloha ary saika efa nifonja avokoa.

‘Tsapako Tao Anatin'ny Hoditro sy ny Taolako Io Fahasambarana Io’ : Nafana Ny Lalao Baolina Kitra Tao Afghanistàna

"Fahombiazana lehibe (ilay) lalao famaranana baolina kitra Afghàna, tsy ahoana izay nandresy. Vahoaka marobe no nampahery nandritra ny ora roa."

Tsirim-Panantenàna Amin'ny Famerenana An'i Dominika Amin'ny Laoniny Taorian'ny Rivodoza Maria

"Ho hitanao ny fahasamihafàna goavana amin'ny fiovan'ny tontolo taza-maso taorian'ny tafio-drivotra[...] Eo am-panomanana horonantsary fohy aho, izay antenaina fa haneho ny fiverenan'ny maitso mandrobona amin'ny tontolo tazan'ny masontsika. "

Fanontaniana Ho An'ireo Blaogera Sinoa

...ahoana no ieritreretanao ny fanakànana sy fanivànana ny aterineto hoe misy fiantraikany amin'ny zavatra atao sy tsy fantatr'ireo Shinoa mpampiasa aterineto momba ny fireneny sy momba izao tontolo izao?