Ejiptiana Blaogera Manohitra Ny Fampihorohoroana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2005)
egypt bloggers anti-terror(Sary avy amin'ny OneArabWorld.)

Nandefa rohy iray i Karim Eslahy mankany amin’ireo sarin’ny fihetsiketsehana tamin'ny Alahady izay nokarakarain'ireo ejiptiana blaogera manohitra ny fampihorohoroana. Mbola miezaka hatrany izahay ny hanamarina hoe firy ny isan'ireo olona nanatrika, nefa mitatitra i Karim fa “Tena vitsy ny mpandray anjara ary naparitak'ireo mpitandro ny filaminana izy ireo saingy fandrakofana iray mifandanja taminy na izany aza.”

Anisan'ireo nandray anjara Ny Big Pharaoh, Sandmonkey, Highlander, ary ny Mindbleed.

Ilay hetsi-panoherana dia ho fitokanana ny Pray 4 Peace, fikambanana vaovao (Vavaka ho an'ny Fandriampahalemana) izay Karim no nanomboka azy satria milaza izy fa mankarary azy ny resaka herisetra tsy mitsahatra izay andraisan'ny rehetra anjara ary manorisory ny sainy ny hoe iza no namomboka inona. Manoratra izy fa:

Tsy raharahaiko intsony ny hoe iza no nanomboka inona. Ny mibahana an-tsaiko izao dia ny hoe ahoana no hamaranana an'io.

Raha afaka mivondrona ny vitsivitsy amintsika ireo, miala amin'ireo fahasamihafantsika ary mitambatra manoloana ny herisetra, azontsika atao ny manova zavatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.