Tafiditra Tao Anatin'ireo Bilaogy Tsara Indrindra Erantany Ny Rising Voices

(Marihina fa tamin'ny 29 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Voafidy hifaninana amin'ny “Fifaninana Bilaogy Tsara Indrindra” (BOB) tamin'ny sokajy “Weblog Tsara Indrindra” ny Rising Voices, tetikasa fampahalalam-baovaon'olon-tsotra Global Voices. Bilaogy maherin'ny 8.500 no natolotra hifaninana ary ny mpitsara no nisafidy ireo 11 farany tafakatra tamin'ny sokajy miisa 16. Azon'ny rehetra atao ny mifidy amin'ny aterineto ho an'ny bilaogy ankafiziny indrindra hatramin'ny 26 Novambra 2008.

Maniry ny hanome lanja manokana ny fampiroboroboana ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao sy ny fitenenana manerana izao tontolo izao ny Deutsche Welle.

Tetikasa iray izay nanome fanampiana ara-bola (avy amin'ny fanomezana ara-bola bitika avy amin'ny Knight News Challenge) ho an'ny tetikasa famahanana bilaogy ampolony mahery any amin'ireo faritra tsy dia fantatra firy eto amin'izao tontolo izao ny Rising Voices.

Nahafantatra ny momba ny korontana ara-tsosialy tany Bolivia avy amin'ny bilaogera Voces Bolivianas izahay tamin'ny alalan'ireo olona ao amin'ity vondrom-piarahamonina mahavariana ity, nahafantatra ireo bilaogera vaovao tao Nakuru, Kenya izahay avy amin'ny tetikasa REPACTED, ary tany Romania avy tamin'ny tetikasa Blogging the Dream .

(Jereo ity lahatsary ity, ary ho fantatrao izay hofidianao …)

Hoy i David Sasaki , talen'ny Vondrom-piarahamonina Global Voices eny an-kianja ho an'ny vondrom-piarahamonina Rising Voices manontolo ( eto raha hanatevin-daharana) ny 27 Oktobra hoe:

Get this: some kind soul nominated Rising Voices as the Best Weblog (in the world!) for this year's BOB's contest. (That stands for Best of Blogs.) I am sure that many of you are aware that there are almost as many blog awards as there are blogs, but the BOBs contest has long been the most recognized internationally. We are tremendously proud to be listed among such fine company as Generación Y and Scienceblogs.de. You can cast your votes here and view the results here.

Fantaro fa: nisy tsara fanahy nisalotra ny Rising Voices ho Weblog Tsara Indrindra (eto amin'izao tontolo izao!) ho an'ny fifaninanana Bilaogy Tsara Indrindra (BOB) tamin'ity taona (2008) ity. Azoko antoka fa maro aminareo no nahatsikaritra fa maro ny lokan'ny bilaogy satria maro ihany koa ny bilaogy, saingy ny fifaninanana BOB no tena malaza indrindra erantany. Mirehareha tokoa izahay fa tafiditra tao anatin'ny lisitry ny orinasa mahafinaritra toy ny Generación Y sy ny Scienceblogs.de . Azonao atao ny mandefa ny safidinao ato ary mijery ny valiny ato .

Mandray ireo bilaogy sy ny rakipeo novokarina tamin'ny teny Arabo, Shinoa, Alemana, Anglisy, Frantsay, Holandey, Farsi, Indoneziana, Portiogey, Rosiana ary Espaniola ny fifaninanana BOB. Azonao jerena eto amin'ny sarintanin'izao tontolo izao antserasera ireo kandidà natolotra ao amin'ny  tranonkalan'ny fifaninanana.

Nanoratra momba ny sasany tamin'ireo bilaogeran-dahatsary voafidy i Juliana Rincon ato amin'ny Global Voices .

Alefaso ny safidinao alohan'ny 26 novambra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.