Maraoka: Nogadraina Ilay Mpankafy Barça Raha Nanoratra Hoe “Andriamanitra, Tanindrazana, Barça”

(Marihina fa tamin'ny 27 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny herinandro lasa teo, maro ireo bilaogera no gaga raha nahafantatra fa voaheloka higadra 18 volana  ny tanora Marokana iray noho ny heloka madinika. Ilay zatovolahy, mpankafy ny Barça (FC Barcelone, ekipa mpilalao baolina kitra) dia voalaza fa nanoratra hoe “Andriamanitra, Tanindrazana, Barça” teo amin'ny solaitrabe tao an-dakilasiny. Ny teny filamatra ao Maraoka dia hoe “Andriamanitra, Tanindrazana, Mpanjaka”.

Na dia efa nanambara aza ireo mpitarika ny ekipa FC Barcelone fa hanohana ilay tovolahy izy ireo ary hanao izay azony atao mba hanampiana azy dia tsy nahazoana vaovao firy loatra ny mikasika izany.

Mitatitra ny vaovao i Laila Lalami :

Les juges marocains semblent être en compétition pour savoir qui rendra le verdict le plus excessif, le plus ridicule et le plus embarrassant pour le pays. L’exemple le plus récent provient de la ville d’Ait Ourir dans la province de Marrakech, où un lycéen nommé Yassine Belassal a été arrêté, jugé, et rapidement condamné à 18 mois de prison pour insulte au roi, parce qu’il est supposé avoir écrit « Dieu, Nation, Barça » sur le tableau.

La devise marocaine est « Dieu, Nation, Roi » ; le Barça est le club espagnol de football, le FC Barcelone.

Yassine Belassal est actuellement en terminale, et est également un champion de karaté au Maroc. Il a peut-être, ou pas, eu de représentant légal lors de son rapide procès ; il aurait écrit la devise sur un mur à l’extérieur ou sur le tableau dans la classe; il aurait agit seul, ou avec un groupe de 3 amis ; son nom de famille est peut-être Belassal ou Ait Ben-Lassal – les faits de l’affaire sont peu clairs. Cependant, ce qui est sur, c’est qu’il est actuellement emprisonné, détenu à la prison Boulmharez, pour ce qui semble être un cas bénin de l’hyperbole du football.

Toa mifaninana ireo mpitsara Maraokana mba hahafantatra hoe iza no namoaka ilay didim-pitsarana faran'izay henjana indrindra, izay mahatsikaiky indrindra sy izay mahasadaikatra indrindra ho an'ny firenena. Avy ao amin'ny tanànandehibe'i Ait Ourir any amin'ny faritanin'i Marrakech no ohatra farany indrindra, izay nisy mpianatry ny lisea antsoina hoe Yassine Belassal nosamborina, notsaraina, ary nogadraina 18 volana noho ny faniratsirana ny mpanjaka satria volaza izy fa nanoratra hoe “Andriamanitra, Tanindrazana, Barça” teo amin'ny solaitrabe.

Ny teny filamatra Maraokana dia hoe “Andriamanitra, Tanindrazana, Mpanjaka”; klioban'ny baolina kitra Espaniola ny Barça, FC Barcelone.

Ao amin'ny kilasy famaranana i Yassine Belassal, ary tompondakan'ny karate ihany koa izy any Maraoka. Angamba mety tsy nanana solontena ara-dalàna izy nandritra ny fitsarana azy natao haingana; nanoratra ny teny filamatra teo amin'ny rindrina ivelany na teo amin'ny solaitrabe tao an-dakilasy izy; mety izy irery no nanao izany, na niaraka tamin'ireo namany ary telo izy ireo; Mety ho Belassal na Ait Ben-Lassal angamba ny anarany – tsy dia mazava loatra ny zava-nitranga. Na izany aza, ny azo antoka dia hoe any am-ponja izy amin'izao fotoana izao , voatazona ao amin'ny fonjan'i Boulmharez, noho ny tranga madinika tamin'ny fanitarana ny baolina kitra.

Nitsikera ny fanamelohana ilay bilaogera Adilski:

Dans une note humoristique, un commentateur sur le site internet Al-Arabiya a dit que l’adolescent a été arrêté parce que le roi est un fan du Real Madrid. Plus sérieusement, il est plus probable que le roi n’était pas au courant de l’incident quand il a eu lieu. Cela a du être un professeur ou un principal furieux qui a rapporté l’incident à la gendarmerie, qui à son tour a tenté d’impressionner et a présenté le mineur à la cour. Les juges et procureurs zélés et lèche-bottes ont envoyés l’enfant en prison, espérant quelques tapes sur l’épaule.

Tao anatin'ny fanamarihana mahatsikaiky, nilaza ny mpaneho hevitra iray tao amin'ny habaka Al-Arabiya fa nosamborina ity zatovo ity satria mpankafy ny Real Madrid ny mpanjaka. Azo inoana ihany koa fa tsy mahafantatra ny zava-nitranga ny mpanjaka rehefa nitranga izany. Mety ilay mpampianatra na ny talen-tsekoly tezitra tamin'ny zava-nitranga no nitatitra izany tany amin'ny zandarimaria, izay nikasa hanitatra izany ary nitondra ilay tsy ampy taona teny amin'ny fitsarana. Nalefan'ny mpitsara sy mpampanoa lalàna izay nazoto tamin'ny asany sady mpisolelaka tany am-ponja ilay zaza, ary nanantena izy ireo fa hahazo sitraka.

Nanontany tena momba ity raharaha ity ilay bilaogera Maraokana Ibn Kafka :

1- Azo saziana an-tranomaizina ve izy, na dia mbola tsy ampy taona aza ?

2- Ho voasazy ihany koa ve izy raha nosoloiny hoe  “Allah” na “Al Watan” ny hoe Barça  teo amin'ny toeran'ny “Al Malik?

3- Nohajaina ve ny ambaratonga ara-pitsarana tamin'ny raharaha momba an'i Yassine Belassal?

Manome fandalinana lalina momba ity raharaha ity amin'ny teny Frantsay ny bilaogera, izay mandinika ny fanontanina toy ny taonan'i Yassine Belassal, ny toetry ny fandikan-dalànany, ary ny lalàna manodidina izany. Nofintininy fa nanitsakitsaka ny adidiny teo ambany Fifanarahana momba ny Zon'ny Ankizy tamin'ny taona 1989 i Maraoka raha tena tsy ampy taona tokoa i Yassine Belassal (izay mbola tsy voaporofo). Napetraka ihany koa ny vondrona Facebook ho fanohanana an'i Belassal ankoatra ireo bilaogera marobe izay nitatitra ity tranga ity. Araho hatrany ny GlobalVoices amin'ny fanavaozam-baovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.