- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanontaniana Ho An'ireo Blaogera Sinoa

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2006)

Manana fanontaniana vitsivitsy ho an'ny blaogera Shinoa sy izay monina ao Shina ato aho. (Miala tsiny aho noho ny teny Shinoa-ko efa harafesina … Mahay mamaky kokoa noho ny manoratra, matahotra aho.)

Matetika tsy ekena any amin'ny Tandrefana ny fivelaran'ny fanivanana ao amin'ny aterineto Shinoa satria tsy zava-dehibe loatra rehefa afaka mampiasa ‘proxy’ ny olona mba hialana amin'ny fanakanana. Toa samy manana ny heviny ny olona mikasika ny fiparitahan'ny fahaizana ‘proxy’ ao Shina amin'izao fotoana izao. Raha toa ka any Shina ianao amin'izao fotoana izao ary efa nandany fotoana betsaka tany vao haingana, dia te-hahafantatra ny eritreritrao momba ireto fanontaniana manaraka ireto aho:
在国外经常有人说,因为有代理,中国有很多网站上不了没有太大关:真想看这些网站的人总有办法。不同的人对这个问题有不同的看法, 所以我想问中国的 blogger 几个问题:

Ho tsaratsara kokoa ny mahafantatra ny fomba fijerinao. Raha mba maniry ny hamaly ity ao amin'ny blaoginao manokana ianao, mba zarao ao amn'ny sokajy fanehoankevitra ilay rohy azafady raha toa ka tsy mivoaka ho azy ny ‘trackback’. Tena te-hahafantatra manokana ny eritreritr'ireo Shinoa mpitoraka blaogy mikasika ity fanontaniana ity aho. 麻烦blogger们在自己的 blog 上,或者在下面的“comments” 里面发表自己的意见!