- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo Manankarena Sy Matanjaka Any Kamerona

Sokajy: Afrika Mainty, Kamerona, Fitantanam-pitondrana, Hehy, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 2 Desambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

“Nanomboka tamin'ny lisitr'ireo miliaridera miisa 44 izay nomen'ny ambasadaoro Amerikana ny Filohan'i Kamerona izany …”

Nanoratra ny lisitr'ireo lehilahy mpanankarena sy matanjaka indrindra ao Kamerona ny [1]Le blog du Prési… [1] Eo ho eo amin'ny 80 ka hatramin'ny 90 taona eo avokoa izy ireo , ao amin'ny governemanta ankehitriny na teo aloha ary efa saika efa nifonja avokoa.

Je dois dire que, ne pouvant vérifier cette info, je la prends sans aucun étonnement, tant on connait la vitesse et l'ampleur de l'enrichissement de certaines personnes au Cameroun, surtout dans certaines fonctions. Et c'est amusant de voir le classement, puisque ces personnes auraient été classées par ordre décroissant de quantité de milliards. Et quand je vois troner en tête de ce classement le vertueux ex-Directeur des Impots, aujourd'hui MINEFI et la densité des hauts responsables anciens et actuels du même MINEFI, je me dis que Cameroun sait pourquoi il est pauvre, voire PPTE (Pays Pauvre Très Endetté).

Tiako ny manambara fa tsy afaka manamarina izany vaovao izany aho, tsy mahagaga ahy izany, satria fantatro ny naha-mpanankarena haingana sy ny dingana nahatonga ny sasany nanjary nanankarena taty Kamerona, indrindra fa ireo sasany eo amin'ny fitondrana. Ary mampihomehy ny mahita fa natao mijotso ny filaharan'ireo olona ireo  … Ary hitako fa mirehareha eo amin'ny lohan'ity lisitra ity ny Lehiben'ny hetra teo aloha, izay MINEFI ankehitriny [Minisitry ny Toekarena sy ny Vola [2]] , ary MINEFI teo aloha sy ankehitriny ny ankamaroan'izy ireo, ny hany azoko lazaina dia hoe mahafantatra ny antony mampahantra azy i Kamerona, tsy lazaina intsony ny (maha)-PPTE (Firenena Mahantra Bokan'ny Trosa).

Ny sasantsasany amin'ireo miliaridera Kameroney (amin'ny CFA):

  • Polycarpe ABAH ABAH, current Minister of Finance (MINEFI)
  • Alphonse SIYAM SIWE, in prison in DOUALA
  • Emmanuel ONDO NDONG, condemned to a prison farm for 50 years
  • Gervais MENDO ZE, Minister of Communication
  • Remy ZE MEKA, Minister of Defense
  • Pierre DESIRE ENGO, ex-Director General of Cameroon's social security agency [3], in prison
  • Edouar AKAME MFOUMOU, ex-MINEFI
  • Edouard ETONDE EKOTTO, under investigation for embezzling Port of Douala funds in the SIYAM SIEWE affair
  • Jean-Marie ATANGANA MEBARA, Foreign Minister
  • Marafat HAMIDOU, Minister of the Interior
  • Zacharias FORNJIDAM, current director of the naval yard

Polycarpe ABAH ABAH , Minisitry ny Vola ankehitriny (MINEFI)
Alphonse SIYAM SIWE , any am-ponja any DOUALA
Emmanuel ONDO NDONG , voaheloka 50 taona an-tranomaizina
Gervais MENDO ZE , Minisitry ny Fifandraisana
Remy ZE MEKA , Minisitry ny Fiarovana
Pierre DESIRE ENGO , Tale Jeneralin'ny sampan-draharahan'ny fiarovana ara-tsosialy ao  Kamerona teo aloha, any am-ponja
Edouar AKAME MFOUMOU , MINEFI teo aloha
Edouard ETONDE EKOTTO , atao famotorana noho ny fanodikodinana ny vola tao amin'ny Seranan'ny Douala tamin'ny raharaha SIYAM SIEWE
Jean-Marie ATANGANA MEBARA , Minisitry ny Raharaham-bahiny
Marafat HAMIDOU, Minisitry ny Atitany
Zacharias FORNJIDAM , tale mpitantana ny toera-panamboaran-tsambo

Ary mitohy ny lisitra [4]

Araka ny torohevitry ny mpamaky iray, dia namoaka ny taonan'ireo manampahefana ambony ao Kamerona ihany koa i  Prési.. [1].

On trouverait quelques jeunes sexagenaires qui viendraient abaisser la moyenne. Quand on vous dit que le Cameroun est un pays plein d'avenir. C'est Sarko qui va être content, lui qui veut faire travailler jusqu'à 70ans. Qu'il change de pays le gars; au Cameroun c'est déjà le cas!

Hita nampidina ny salan'isa ireo tanora 60 ka hatramin'ny 70 taona. Ary efa nolazaina ianao fa firenena manana hoavy mamirapiratra i Kamerona. Ho faly i Sarko; izy izay maniry hampiasa hatramin'ny 70 taona. Efa izany no mitranga aty Kamerona! Tokony hiova firenena izy.

  • Ferdinand Leopold Oyono – … – 79
  • Jean-Baptiste Beleoken – Directeur du Cabinet Civil de la PRC- 76
  • Simon Achidi Achu – PCA de la SNI (ex-PM) – 76
  • Paul Biya – PRC [President]- 75
  • Xavier Mbouyoum – President de l'ONEL (organe électoral) – 73
  • General Pierre Semengue – Général d'armée – 73
  • Joseph Charles Doumba – Ambassadeur itinérant (ex-SG RDPC) – 72
  • General Asso'o Emane Benoit – Général de division – 71
  • Hamadjoda Adjouji – Trésorier RDPC, PCA ARMP – 71
  • Ombga Damasse – Conseiller technique PRC- 71
  • General Rene Claude Meka – Général de Division – 70
  • General Mambou Deffo – Général (DG de la Gendarmerie) – 70
  • General Camille Nkoa Atenga – Général – 70
  • Paul Tessa – President CONAC (Anti-Corruption) – 70
  • Martin Belinga Eboutou – VIP, Conseiller Technique PRC (ex-Représentant à l'ONU) – 70
  • Adolphe Moudiki – DG SNH – 70
  • Cavaye Yegue Djibril – President Assemblée Nationale – 70
  • Maikano Abdoulaye – Délégué du Gouvernement Garoua – 70
  • Paul Pondi – President of the Civil Aviation Authority – 80+

Ferdinand Leopold Oyono – … – 79 taona
Jean-Baptiste Beleoken - Talen'ny Kabinetra Sivily ao amin'ny PRC- 76 taona
Simon Achidi Achu – PCA ao amin'ny SNI (PM teo aloha) – 76 taona
Paul Biya – PRC [Filoha] – 75 taona
Xavier Mbouyoum - Filohan ‘ny ONEL (sampana misahana ny fifidianana) – 73 taona
General Pierre Semengue – Jeneralin'ny Tafika – 73 taona
Joseph Charles Doumba – Ambasadaoro mpivezivezy (SG RDPC teo aloha) – 72 taona
General Asso'o Emane Benoit – Jeneraly Diviziona – 71 taona
Hamadjoda Adjouji- Mpitantam-bola RDPC, PCA ARMP – 71 taona
Ombga Damasse – Mpanolo-tsaina ara-teknika PRC- 71 taona
Jeneraly Rene Claude Meka – Jeneraly Diviziona – 70 taona
Jeneraly Mambou Deffo – Jeneraly (Tale Jeneralin'ny Zandarmaria) – 70 taona
Jeneraly Camille Nkoa Atenga – Jeneraly – 70 taona
Paul Tessa – Filoha CONAC (miady amin'ny kolikoly) – 70 taona
Martin Belinga Eboutou – VIP, Mpanolo-tsaina ara-teknika PRC (Solontenan'ny ONU teo aloha) – 70 taona
Adolphe Moudiki – Tale Jeneraly SNH – 70 taona
Cavaye Yegue Djibril – Filoha Antenimieram-pirenena  – 70 taona
Maikano Abdoulaye – Delegen'ny Governemanta Garoua – 70 taona
Paul Pondi – Filohan'ny Manampahefan'ny Sidina Sivily  – 80 taona mahery

Les gardiens du temple

  1. Felix Sabal Lecco – President, National Council of Communication – 90+
  2. Jean Keutcha – Ambassador-at-large – 85+
  3. Marcel Medjo Akono – Ambassadeur-at-large – 84+
  4. El Hadj Ousman Mey – Chairman, CNPS – 83+

Ny mpiambina ny tempoly

  1. Felix Sabal Lecco – Filoha, Filankevi-Pirenena momba ny Fifandraisana – 90 taona mahery
  2. Jean Keutcha – Ambasadaoro mpivezivezy – 85 taona mahery
  3. Marcel Medjo Akono – Ambasadaoro mpivezivezy – 84 taona mahery
  4. El Hadj Ousman Mey – Filoha, CNPS – 83 taona mahery