Maraoka: Mandray Anjara Amin'ny Fihaonamben'ny Tanora Ilay Mpanoratra Ato Amin'ny GV

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo, nisy ny fihaonambe natao tao Casablanca tamin'ny 2007 DABA (fr), fikambanana manana tanjona amin'ny famerenana indray ny fandraisana anjara ara-politika ao Maraoka amin'ny fifidianana solombavambahoaka taona 2007. Mamaly ny fanontaniana hoe “Inona ny 2007 DABA?” ny tranonkala ofisialy:

2007 Daba est une association à but non lucratif. Elle regroupe des citoyennes et des citoyens, soucieux de l’avenir de leur pays, et de sensibilités diverses.

Le but commun des membres de 2007 Daba est de mobiliser l’ensemble des marocains pour les législatives 2007.

Nous travaillons dans une totale autonomie financière et de gestion.

2007 Daba dia fikambanana tsy mitady tombombarotra. Mampivondrona ireo olom-pirenena sy olom-pirenena miahy ny hoavin'ny fireneny, sy ny fahatsapana samihafa izy.

Ny fanentanana an'i Maraoka manontolo amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny taona 2007 no tanjona iombonann'ny mpikambana ao amin'ny 2007 Daba .

Miasa ao anaty fizakan-tena ara-bola sy fitantanana tanteraka izahay.

 

Araka ny lahatsoratra avy amin'ny Magharebia.com, miezaka ny “hampandroso ny vehivavy sy ny tanora ho liana indray amin'ny politika ary hampitombo ny taham-pifidianan'ny vondrona hatramin'ny 25%” ny 2007 DABA.

june-255.jpg

Tsara vintana aho afaka nanatrika ny fihaonambe, izay notontosaina niaraka tamin'ny sampana Maraoka Ivon-toeram-pirenena Demokratika. Notontosaina nandritra ny telo andro, ny tanjon'ny fampiofanana dia ny hifantoka amin'ny fanatsarana ny fahaiza-manaon'ireo tanora mpitarika hevitra eo amin'ny fahalalana momba ny asa fanaovan-gazetin'olo-tsotra, miaraka amin'ny fanamafisana an-tserasera mba hampitombo ny fifanakalozan-kevitra momba ny olana atrehan'ny tanora. Nasaina handray anjara fitenenana teo amin'ireo bilaogera sy mpitarika forum aho mba hiresaka ny fomba mahomby amin'ny fampiasana bilaogy mba hanintona ny saina manoloana ny olana, ary koa mba hisarika ireo bilaogy mihitsy. Anisan'ny nandray fitenenana ihany koa ilay bilaogera Maraokana malaza Rachid Jankari (fr).

Tanora mpitarika feno fahazotoana tsy mampino avokoa ireo mpandray anjara tamin'ny fihaonambe, ary niresaka momba ireo hevitra mahafinaritra mba hampandraisana anjara ny vondrom-piarahamonin'izy ireo tsirairay. Manantena ny hahita bebe kokoa 2007 DABA aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.