- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Tifitra Tao Virginia (Etazonia) Araka ny Blogestan Iraniana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanabeazana, Mediam-bahoaka, Tanora, Voina

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aprily taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nilaza i Haji Washington [1] [Fa] fa raha namono olona tany amin'ny oniversite Eoropeana iray ny mpianatra Koreana iray, tahaka ny nataon'ity namana feno hadalana tao Virginia Tech  [2]ity, mety hiteraka olana lehibe ho an'ny Aziatika Tatsimo ny fankahalana goavana. Nilaza ity bilaogera ity fa tsy nitranga izany, taorian'io fitifirana io tany Etazonia. Manontany izy hoe: raha Arabo na Miozolomana ilay mpamono olona, inona no mety ho fanehoan-kevitra?