Tantara tamin'ny 25 Novambra 2017
Ondry Iray Natao Sorona Mba Hanakanana Ny Lozam-pifamoivoizana Mateti-pitranga Ao Kyrgyzstan
Nanao sorona ondry iray noho ny fombafomba ireo manampahefana sy mpitondra fivavahana ao an-toerana, ao atsimon'i Kyrgyzstan tamin'ity herinandro ity mba hanantena hanakana ny lozam-pifamoivoizana mateti-pitranga manerana ny lalambe ao amin'ny firenena.
Egypta : 89 Isanjaton'ny Tanora No Manohana ny Sivana an'Aterineto
Sivy amby valopolo isanjaton'ny tanora Egyptiana, ankizivavy na ankizilahy no milaza fa manohana ny sivana amin'ny aterineto, araka ny fanadihadiana vao haingana. Mizara ireo tarehimarika ireo ny Bloggers Times izay nalaina tao amin'ny Vavahadin-tseraseran'ny Ivontoerana Egyptiana momba ny Fampahalalam-baovao sy ny Fanampiana amin'ny Fanapahan-kevitry ny Governemanta, sampan-draharaha ofisialin'ny Fanjakana Egyptiana
Mitendry Milina i Torkia….
Fiarahabana ho an'ny taona vaovao! Te-hanitatra ny fiarahabany ho an'ny Taombaovao ihany koa i Yogurtland, Turkish Torque, sy Talk Turkey. Raha mankalaza ny taom-baovao ao Istanbul ianao androany alina, maro ireo bilaogera Tiorka miresaka momba ny fampisehoana nataon'i Woody Allen sy ny Tarikany Jazz New Orleans.
Iran: Tifitra Tao Virginia (Etazonia) Araka ny Blogestan Iraniana
Nilaza i Haji Washington [Fa] fa raha namono olona tany amin'ny oniversite Eoropeana ny mpianatra Koreana iray, tahaka ny nataon'ity namana feno hadalana tao amin'ny Virginia Tech ity, mety hiteraka olana lehibe ho an'ny vahoaka any Azia Atsimo ny fankahalana goavana.