- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao Amin'ny Twitter Ihany Koa Ny Global Voices !

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 3 Aprily 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

gv on twitter [1]

 

 

Azonao jerena  amin'ny alàlan'ny Twitter [2] ny vaovao farany [3]  Global Voices!

Tsy azonay antoka fa fantatrareo avokoa ny momba ny sakafo antoandronay, na ny antony mampidona-tsetroka ny port USB-n'ny solosainanay (izany no antom-pisian'ireo olona sasany ao amin'ny Twitter), kanefa manome fanavaozam-baovao ho anareo izahay momba izay lazain'ireo bilogera manerana izao tontolo izao. Azo jerena ihany koa amin'ny dikanteny Shinoa [4] sy Espaniola [5] ao amin'ny Global Voices ny fanavaozam-baovao ao amin'ny Twitter. [Mariho fa amin'izao fotoana izao dia misy ihany koa ny kaonty Twitter Global Voices amin'ny teny malagasy]

Ampidiro ao amin'ny lisitry ny namanao ao amin'ny Twitter ary noho izany ny Global Voices [3], GV amin'ny teny Shinoa [4] na GV amin'ny teny Espaniola [5]!

Azonao atao ihany koa ny mandray ny fanavaozam-baovao avy amin'ny Global Voices amin'ny alàlan'ny fahana RSS sy JSS [6], imailaka [7] sy amin'ny alàlan'ny fisoratana anarana ao amin'ny Daily Digest [8].