- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Dia Ao amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Kiorda

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràka, Iràna, Syria, Tiorkia, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Araka ny vokatra vonjimaika [1], nolaniana tamin'ny latsa-bato “Eny” ny Fitsapa-kevi-bahoaka momba ny Lalàmpanorenana. Ary raha miandry ny vokatra ofisialy izao tontolo izao, tena mavitrika tokoa amin'ny hevitr'izy ireo momba ny raharaha ny Kiorda Irakiana sy ny Kiorda amin'ny ankapobeny. Dr Nazhad Khasraw Hawramany avy ao amin'ny Iraqi Kurdistan [2] manome hafatra fiarahabana, miarahaba an'i Iraka tongasoa eo amin'ny fianakavian'ny firenena malalaka [3]. Midera ireo Irakiana izay “niatrika ny BALA sy BAOMBA mba HANDATSA-BATO” ihany koa izy. Hiwa avy amin'ny Hiwa Hopes [4] kosa niresaka dia niresaka momba ny lalàmpanorenana Irakiana. Miresaka momba ny fampiasana tsy ara-drariny ny teny hoe Iraka izy, ary manontany raha tokony hotazonina  [5]ho toy ny anarana ofisialin'ny firenena na tsia ny teny hoe Iraka. Manamarika ny fahasamihafana amin'ny fanohanana ny lalàmpanorenana any amin'ny faritra samihafa ihany koa izy ary koa nahoana i Iraka no mbola mizarazara hatrany hatrany [6] na dia eo aza ny firaisan'ny fitantanana manokana. Ao amin'ny   Kurdistan Bloggers Union [7], nanontany ny antony nifidianana lalàmpanorenana izay mbola hahitsy rehefa voafidy [8] ihany koa i Hiwa. Tsy aloha loatra ve fandatsaham-bato? Medya avy ao amin'ny Medya Daily [9], avy any Kiordistan Atsinanana indray manamarika ny ankamaroan'ny olana izay misy ankehitriny eo amin'ny lalàmpanorenana Irakiana [10], manomboka amin'izy somary fivavahana loatra, hatramin'ny fandraisan'ny Kiorda izany sy ny fahaleovan-tena izay tsy maintsy hafoiny, ary ny fikarakarana ny vehivavy amin'ny antontan-taratasy vaovao. Manontany ihany koa izy raha tokony hijanona ao amin'ny fanjakana misy azy ankehitriny i Iraka na hizarazara ary hamorona sisintany vaovao. Azoko antoka fa mbola ho betsaka kokoa ny zavatra hivoaka amin'ny vali-pifidianana, raha mitady vaovao farany momba ny fitsapa-kevi-bahoaka ianao, mety mahaliana anao ity tranonkala ity [11].

Mihamaro kokoa ny zavatra mitranga ao amin'ny tontolo Kiorda ankoatra ny referandaoma Irakiana. Vladimir avy ao amin'ny From Holland to Kurdistan [12]  namoaka rohy vao haingana ahitana lahatsary vitsivitsy momba an'i Kiordistan [13], izay tena tsara vakiana. Maneho hevitra ihany koa izy mikasika ireo tsy fifanarahana/zava-misy diso [14] hita tao amin'ny lahatsoratra Washington Post [15] vao haingana. Tsy niova ny fiainana any Torkia ho an'ny Kiorda any Torkia, ary na inona na inona vokatry ny safidin'ny Irakiana tamin'ny fifidianana, ho an'ny Kiorda, [16]tsy hiova [16] ireo zavatra any Torkia [16]. Mbola marobe ireo zavatra tsy maintsy tratrarin'i Torkia alohan'ny hidirany ao amin'ny Vondrona Eoropeana, ao amin'ny farany ambonin'izany lisitra izany ny famaliana ny raharaha Kiorda. Na izany aza, nifantoka tamin'ny ezaka nataony tamin'ny fandrahonana an'i Kiordistan (Avaratr'i Irak / atsimon'i Kiordistan)  [17]tamin'ny alalan'ny fanakanana ny lalan'ny kamiao mpitondra solitany tsy tapaka tao amin'ny faritra i Torkia.

Mba hanakatonana ity herinandro ity, te-hampiditra ampahany amin'ny tononkalo momba an'i Kurdistan [18] avy amin'ny Fly Away aho:

Remember me not for…
Struggling for centuries.
Remember me for…
attempting to stand every time I fall.
Remember me not for…
a life which came to a sudden end.
Remember me for…
dying for a greater cause; FREEDOM.
Remember me not for…
all the lies passed down in history.
Remember me for…
what I want to pass on.

Aza tsaroana aho amin'ny …
Fitolomana  mandritra ny taonjato maro.
Tsarovy aho noho ny …
fiezahana hiarina isaky ny mianjera.
Aza tsaroana aho amin'ny …
fiainana izay nifarana tampoka.
Tsarovy aho noho ny …
fahafatesana ho an'ny antony lehibe kokoa; FAHAFAHANA.
Aza tsaroana aho amin'ny …
lainga rehetra nandalo tamin'ny tantara.
Tsarovy aho noho ny …
zavatra tiako hampitaina.