Nitondra tanjaka sy firaisankina [2] teo amin'ny vahoakan'ny firenena ireo horohorontany mahery [3] nanozongozona ny Afovoany sy Atsimo Andrefan'i Meksika tamin'ny Septambra 2017 (iray tamin'ny 7 Septambra ary iray hafa kosa tamin'ny 19). Hita taratra izany, tsy teo amin'ny hamaroan'ireo mpirotsaka an-tsitrapo fotsiny ihany izay nidina ny lalamben'ny renivohitra mba hanala ireo korontana sy hanome fanampiana, fa ihany koa teo amin'ny fakàn'ireo mpampiasa aterineto sary sy ny nizarany izany avy aminà hetsika iray tena nanaitra ny firenena.
Olona maro no nivondrona tanatinà rakitsary iray ahitàna ny faharavàna sy ny ezaka fanampiana nanaraka izany. Tanatin'io ny mpakasary, Santiago Arau, [4] sy ny mpianika tendrombohitra, Raul Morales [5].
Nizara sary maro tao amin'ny Instagram i Arau, ary namela sary ho an'ireo te hampiasa izany tao amin'ny vohikala WeTransfer [6] ihany koa. Nizara ireo sary tao amin'ny Google [7] kosa i Raúl Morales.
Eto ambany, mamerina ireo sary sasany nalain'izy roa tena maneho sy manamarika ny zava-nitranga ny Global Voices.
Anatin'ity sary nalaina nandritra ireo ora voalohany nitrangan'ilay loza ity, asehon'i Raúl Morales ireo olontsotra nirotsaka an-tsitrapo miaraka amin'ireo mpikambana avy ao amin'ny Navy Meksikana manomboka ny asa fanavotana aminà tranobe iray nirodana.
Ao amin'ny Twitter, nanambara i Santiago Arau fa hozarainy malalaka ny asany:
Medios, personas o instituciones pueden usar mis fotos para difundir, informar, obteniendo los archivos originales. https://t.co/vaPXvh649A [8]
— Santiago Arau (@Santiago_Arau) September 22, 2017 [9]
Afaka mampiasa ny sariko ny media, ny vahoaka na ireo andrimpanjakana mba hanaparitahana sy hampahafantarana, amin'ny alàlan'ny fampiasàna ireo tahiry tena izy.
Eto, mampiseho ny sasany amin'ireo olompirenena nidina an-dalambe hanala ireo korontana i Arau.
Na andro na alina dia nitohy ny asa fanavotana tany amin'ireo tranobe nirodana, tahaka ny hita anatin'ity sarinà trano ao Atsimon'ny Tanànan'i Meksika ity.
Mbola tsy voarefy ny fahasimban'ny entana. Tsy ireo trano ihany no voa tamin'izany, fa tao ihany koa ireo fiara an-jatony.
“Maherifo Tsy Mitonona Anarana”, angamba no fomba tsara indrindra hanoritana ireo olompirenena nandray andraikitra hanomboka ny asa fanavotana taorian'ilay loza.
Azontsika sary an-tsaina amin'ny alàlan'ity sary ity ny hamaron'ny vahoaka tonga teny amin'ireo faritra nirodana, ny ankamaroan'izy ireo tonga hanampy, ny hafa kosa hijery fotsiny, saingy samy nizara ny halahelo sy ny hatairana manoloana ireo zavatra hitany.
Afaka manaraka an'i Santiago Arau [10]sy Raúl Morales [11] ianao ao amin'ny Facebook.