- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Misy Ny Hetsika Manoloana Ny Sazy Ho Faty Ho An'ilay Mpisera Aterineto Afghana

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Afganistana, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jolay 2008 ny lahatsoratra teny Anglisy)

[Mariho ihany koa fa efa voasoratra tamin'ny teny malagasy tato [1] ny tohin'ity raharaha ity.]

Mpianatra momba ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny Anjerimanontolo Balk ao Mazar-i Sharif i Sayed Parwez Kambakhs. Voalaza fa naka tahaka lahatsoratra tamin'ny tranonkala Iraniana mpitsikera ny fijerin'ny Silamo momba ny fandraisana ny vehivavy izy, ary nampiditra ny heviny manokana momba izany raharaha izany – tahaka ny fanaon'ny bilaogera. Noho izany zavatra nataony izany, nanadihady azy ny sampam-pitsikilovana Afgana, ary taorian'ny fisamborana azy, nanameloka azy tamin'ny fivaonam-pinoana ny fitsarana tao amin'ny faritanin'i Balkh ary nanameloka azy ho faty.

Tamin'ny fotoam-pitsarana azy vao haingana indrindra, araka ny voalazan'i Jean MacKenzie tao amin'ny IWPR, nahazo tsiny tamin'ny mpitsara azy manokana  [2]i Kambakhsh:

Presiding judge Abdul Salam Qazizada has weathered several Afghan administrations. He is a holdover from the Taleban regime, and his antagonism to the defendant was visible…

During the session, Qazizada appeared to take on the role of prosecutor rather than impartial judge, engaging in a legal duel with defence attorney Mohammad Afzal Nooristani. Lacking a gavel, he repeatedly banged his pen against his microphone in an effort to halt Nooristani’s defence of his client.

Time and again the judge attacked Kambakhsh, who sat pale but composed in the defendant’s chair.

“Just tell me why you did these things,” insisted Qazizada. “What were your motives?”

“I cannot give you reasons, since I did not do anything,” responded Kambakhsh.

Nandalo fitantanana Afghana maro ity lehiben'ny mpitsara, Abdul Salam Qazizada ity. Izy no tafajanona tamin'ny fitondran'i Taleban, ary hita miharihary ny fanoherany ny voampanga …

Nandritra ny fotoam-pitsarana, toa nandray ny andraikitry ny mpampanoa lalàna i Qazizada fa tsy mba mpitsara tsy miangatra, miditra amin'ny raharaham-pitsarana miaraka amin'ny mpisolovava mpiaro an'i Mohammad Afzal Nooristani. Satria tsy nisy maritoa, nikapoka ny peniny tamin'ny mikrô hatrany izy mba hampitsaharana ny fiarovan-tenan'ny mpanjifan'i Nooristani.

Imbetsaka ity mpitsara ity no namely an'i Kambakhsh, izay bora mena eo am-pipetrahana saingy tony eo amin'ny sezan'ny voampanga.

“Mba lazao ahy fotsiny ny antony nanaovanao ireo zavatra ireo,” hoy hatrany i Qazizada. “Inona no antony nanosika anao nanao izany?”

“Tsy afaka manome antony anao aho, satria tsy nanao na inona na inona aho,” hoy i Kambakhsh namaly.

Voalaza fa voadaroka i Kambakhsh hatramin'ny nigadrany voalohany tamin'ny volana Desambra lasa teo, saingy noho ny fotoana lava be miandry  famotorana, sitrana ny ankamaroan'ireo dia-kapoka tamin'ny vatany. Na dia milaza aza izy fa meloka, nilaza izy fa nanao izany noho ny hamafin'ny faneriterena.

Voampanga noho ny faharatsiam-pitondrantena ihany koa i Kambakhsh, tahaka ny fametrahana fanontaniana maromaro any am-pianarana, mitady fisarihana sy laza, tsy mahalala fomba ary manao vazivazy maloto amin'ny findainy.

Miatrika sakana marobe i Kambakhsh: tsy nandinika ny antontan-taratasy momba ny raharahany ny mpisolovavany na dia herinandro mialoha ny fotoam-pitsarana voalohany aza, ary naneho fanohanana [3] amin'ny famonoana azy ho faty ny Antenimieram-pirenena, miaraka amin'ireo mpitondra fivavahana mpandala ny nentin-drazana sy zokiolona ara-poko.

Tamin'ny taona 2006, voaheloka ho faty i Abdul Rahman [4] noho ny fivadihana ho Kristiana. Voavonjy ny ainy noho ny fanerena lehibe nataon'ny iraisam-pirenena, nambara fa tsy salama saina izy ary nalefa tany Italia. Toa tsy hita loatra ny fanerena iraisam-pirenena tahaka izany amin'ny raharaha Kambakhsh: tsy hita nandritra ny volana maromaro tamin'ny fampahalalam-baovao iraisampirenena ny tantara momba ny raharahany, na dia eo aza ny famantarana mampiahiahy, raharaha valifaty [5] ho an'ny rahalahiny miasa ao amin'ny IWPR ity..

Jereo ao amin'ny tranonkala dailylife [6]ny sary mahavaky fo ahitana polisy Afgana nanagadra an'i Sayed Parwez Kambakhsh taorian'ny fotoam-pitsarana tao Kabul tamin'ny 18 Mey 2008.