- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

SARIPIKA: 5 Novambra, Lasa Renivohitry Ny Tsy Fanajana Ao Grande-Bretagne I Lewes

Sokajy: Angletera, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina

Ao Angletera, tena zavatra matotra ny resaka alin'ny 5 novambra [1]: isan-taona nandritra ny 412 taona izay, manao fety fankalazana ny sarisarim-pamonoana tsy tanteraka ireo Anglisy

Ny 5 novambra 1605, voasambotra i Guy Fawkes [2] sy ireo katolika mpiray tetika taminy mialohan'ny nikasàna hanapoahana ireo barika misy vovoka vanja mipoaka napetrak'izy ireo tao ambanin'ny Chambre des lords (iray tamin'ireo tranoben'ny Parlemantan'i Royaume-Uni) mba hamonoana an'i James Voalohany, ilay mpanjaka protestanta . Mba ho fankalazàna ny ain'ny mpanjaka avotra soa amantsara, lasa andro iray fankalazana sy afom-pifaliana avy hatrany ny 5 novambra. Nijanona ho protestanta i Angletera ary nanjary marika iray ho an'ny fanoherana ny katolika tamin'izany fotoana ilay fety. Fa i Guy Fawkes kosa, ilay fikasany tam-boninahitra dia nanjary voaravaka fahombiazana hafahafa, satria ny endriny [3], namboarin'ny mpanao sary iray, David Lloyd, ho tantara hatsikana V ho an'ny Vendetta [4], dia hita ankehitriny fa tafiditra ao amin'ireo hetsi-panoherana manerantany toy ny fikambanana Anonymous [5]..

Renivohi-paritry ny fiandrianan'i Sussex, malaza manerana an'i Angletera ny tanànan'i Lewes [6] noho ny fankalazàny [7] manetriketrika tamin'ny 5 novambra. Tsy latsaky ny fito ireo fikambanana afom-pifaliana [8] no mikarakara, samy manao filaharambe iray, afom-pifaliana iray sy/na afomanga, ny tsirairay avy. Eny amin'ireo arabe feno olona, tafiditra ao anelanelan'ny vahoaka sy ny fanilon'ireo matso ireo mpijery. Mampiseho ny toetsaina tsy misy fanajana tamin'ny taonjato efatra tany aloha izy ireo: ny 5 novambra dia tena alina iray azo,  tsy maintsy hanesoana ireo ngezan'izao tontolo izao sy mba hampatsiahivana aminy ny toerany. Ny sarin'ireo olona mpanao politika ambony vita amin'ny fetan-taratasy, matetika ao anatin'ireo teny na ireo endrika maneso azy ireo, dia mideradera eny amin'ireo arabe mba ho fifalian'ireo mpakasary.

Mifoha ao anaty zavona i Lewes ary miomana hiatrika tontolo andro lavabe:

Misty Morning in Lewes! [9]

A post shared by Duncan (@duncantigerhero) on

Ny lalambe miloko afo

More of Lewes Bonfire…those flares ? [10]

A post shared by Zoe Brownrigg (@zoe_brownrigg) on

Io no fotoana ahafahana maneso ny kilasy politika erantany: miparitaka mivezivezy manerana ny tanàna ireo sary goavana, avy eo dorana amin'ireo afom-pifaliana. Mandray anjara foana amin'ny fety ireo Praminisitra tao Grande-Bretagne, ary tamin'ity taona ity, anjaran'i Theresa May indray no nentina nivezivezy nampisalorana ny ‘toge':

Teresa May tao Lewes Bonfire. Nodorana fotoana fohy taty aoriana.

Saingy tsy adino ireo mpitondra firenena hafa:

Inona no hataontsika aminy?

? DOROY IZY! ?#LewesBonfire [14]

Najanona ny fifamoivoizana tao afovoan-tanàna raha vao nanomboka ny tolakandro. Nony avy eo, an'ireo mpandeha an-tongotra mpijery sy mpilalao tantara ny sehatra:

Alina mahafinaritra tao #LewesBonfire2017 [11] omaly alina. Nahoana ianao no tany an-kafa tany. #lewes [19] #sussex [20] #lewesbonfire [21] pic.twitter.com/PQmQQGsI7t [22]

Ireo “Vikings” an'ny iray amin'ireo fikambanan'i Lewes maka aina. Sary: Valeria Bartsch, fampiasàna nahazoana alalàna

Fikambanana iray koa no nanova endrika nanaraka ny lohahevitry ny Revolisiona frantsay, anisan'izany ny ny fanaoahan-doha mihoson-drà. Sary: Valeria Bartsch, fampiasàna nahazoana alalàna

Ary mazava ho azy, nofaranana tamin'ny afomanga, tsy iray fa marobe, ny zavatra rehetra:

Lewes Fireworks. #lewes #lewesbonfirenight #lewesfireworks #fireworks #november5th #bonfirenight #paulcoxphotographic [24]

A post shared by Paul Cox Photographic (@paul_cox_photographic) on