- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sidina Ambonin'ny Tontolon'ny Blaogy Irakiana

Sokajy: Iràka, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2007)

Fitsingerenan'ny andro nahaterahako izao, ary tsy nanam-potoana nanopaza-maso feno ireo blaogy aho tamin'ity herinandro ity. Nefa tena mahaliana izay mitranga, sady manan-danja. Noho izany tsy maintsy resahako anareo.

Ireo Fiaraha-miory

Voalohany indrindra, mirary fiononana ho an'ny 24 Steps to Liberty Dingana 24 mankany amin'ny Fahalalahana] aho noho ny fakàna ankeriny nanjo ny anadahiny sy namonoan'ireo milisy azy.

Raha toa ka lahatsoratra iray ihany no vakianao amin'ity herinandro ity, vakio ity:

Nanatanteraka ny iray tamin'ireo fivoahana vitsy mahalana fanaony any ivelan'ny tranony i Chikitita [En]. Tamin'ity indray mitoraka ity, hazakazaka iray no natao, tamin'ny alalan'ny fanavatsavàna ireo làla-mahitsin'ireo tanin'ady isan-karazany izay tsy iza fa ireo vohitra samihafa ao Bagdad.

Ireo blaogy

Nijery fahitalavitra i Marshmallow26 [En] ary manao fampitahana amin'ireo fandaharana télé-réalité amerikana sy ireo mifandanja aminy amin'ny an'ny irakiana. Eny, misy ampahany iray mikasika ny fandaharana amin'ny fiteny irakiana « Extreme makeover [1] » miresaka ny fandravahana, ka ny famokarana dia mandray an-tanana ny fanavaozana manontolo ny trano iray ravan'ny hetsika nataon'ny miaramila.

Mitantara izay nitranga tamin'ny fianakaviany i Fatima [En] ao anatin'ireo lahatsoratra telo eo ambany, sy ho an'ny naman'izy ireo, hatramin'ny fiatrehana ny fakàna ankeriny, avy eo ny famonoana, izay notantaraiko tamin'ny herinandro lasa. [2]

Nanomboka hatramin'ny Fahaterahana ka hatramin'ny Fahafatesana [3] [en]

Zazavavy Kely 3 Teraka [4][En]

Tsy haiko ahoana no hiantsoana an'i Baghdad [5] [En]

Tsy maintsy vakiana ihany koa…

Ny Roulette Irakiana [6] [En]

Tavinkena namainina sy atodin'i Baghdad [7] [En]

Bilaogin-dahatsary

Jereonareo fotsiny ity lahatsary ity [8]. Alive in Baghdad [En] manombana ny fitombon'ireo tifitra tafondro sy ireo balafomanga, izay mianjera eny ambonin'ireo tranon'olontsotra ao Bagdag.

Hometown Baghdad [9], [En] blaogy iray misy lahatsary natokana ho an'ny, efa azoanao antsaina, Bagdad, dia manjary lasa tena malaza tany aloha tany. Nataon'izy ireo mihitsy ny fandrakofana ny Times any Londona.

Politika

Maniry ny hahalala izay mitanga ve ianao? Araho ireto rohy ireto mba hanànana hevitra.

Tsy ho fotsy na mainty velively ny zavatra rehetra. Ary misy lafitsara sy lafiratsiny foana ny zavatra tsirairay. Ny Shaqawa [En] dia niresaka an'io tao anaty lahatsorany mikasika ireo milisy [10].

Namborakra scoop [11] iray i Raed [En]. Amin'izao fotoana izao, ny ankamaroan'ireo parlemantera irakiana dia maniry ny mba hitazonan'i Etazonia tetiandro iray mikasika ny fisintahany.

Namoaka ny fanambaràna farany an'i Al Sistani mikasika ny volavolan-dalàna momba ny solitany i Al-Ghad [En], mifanohitra tanteraka amin'ny an'i Dick Cheney.

Miaiky i Iraq the Model  [En] fa mandia lalàn-tsarotra [12] ry zareo saingy tsy manahy velively.

Manontany tena [13] i Hammorabi [En] mikasika ny tsy fahombiazana hidona tsy ho ela  amin'ireo Amerikana ao Iraka.

Mamoha lalàna vaovao [14] nolanian'ny parlemanta irakiana ny Blog Iraq[En], izay manome ny tsirairay amin'ireo mpikambana ao aminy ny fandoavana vola 200$ ho sakafo antoandron'izy ireo fotsiny. Hmmm.

Ary mba hamaranana azy…

Mihetsika amin'ny endrika tena maha-irakiàna azy ny Shawqawa [En] taorian'ny nanomezana azy anarana hoe “Blaogy ilay tena tery saina indrindra izay tsy mbola nisy hatrizay“. Manasa ireo vaovao mpitsidika ao aminy izy mba hisotro dite na kafe…