- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Ilay Famonoana Ireo Sodaney Mpitsoa-Ponenana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Mediam-bahoaka

Fanamarihana : Lahatsoratra nivoaka tamin'ny 6 Janoary 2006

a broken photo frame left behind the refugees. [1]Sary avy amin'i Nora.

Mijanona ho adihevitra mafana eo amin'ny tontolon'ny bilaogy ejiptiana ny fiafaran'ilay fitorevahana Sodaney nihoson-drà sy nampivarahontsana. [2]Firotsahana an-tsehatra iray hafa nahery vaika nataon'ny mpitandro filaminana izay tsy haiko tantaraina satria manaporofo amintsika fa miaina ao anatin'ny fanjakàn'ny mpitandro filaminana maivandoha [3] i Ejipta. Miaina ao anatin'ny fanjakan'ny mpitandro filaminana i Ejipta ary mbola loza hafa foronin'ireo jiolahimboton'ity fitondrana ity izany. Tsy hajain'ity fitondrana ity ny olona, ny olom-pireneny sy ireo mpitsoa-ponenana sasantsasany tsy afa-manoatra.

Nora Younis
Tsy azo ialàna sy tsy azo fintinina eto ny kaonty mahavarianan'i Nora miaraka amin'ireo sary. Tsy maintsy mamaky azy tanteraka ianao (Fanamarihana: Tapaka tanteraka ny rohy mankany ami'ny lahatsotra navoakany).
Managona ireo tapatapaka gazety be dia be  mitantara io fotoana io i Nora.  Ary tatitra marobe avy amin'ireo vavolombelona maro nanatri-maso.

Aharihary ireo laingan'ny haino aman-jerin'ny Fanjakana Ejiptiana
Mampatsiahy antsika i Mohamed [4]fa miezaka mandrakotra sy manafina ireo zava-marina ny gazetim-panjakana isaky ny mampiasa hery mahery vaika sy amin'ny tsy rariny ireo mpitandro filaminana.
Nefa valian'i [5] Ta3zeeb [5]tsirairay ireo lainga rehetra aparitaky ny haino aman-jery sy ny gazety ireo.

Tsy hiala tsiny amin'ilay zava-nitranga ny Praiministra Ejiptiana [6] fa ireo mpitandro filaminana naratra ihany no novangiany. [7]Na nisaotra an'i Ejipta noho ny faharetany nandritra izay ela izay  aza ny governemanta Sodaney.

Ireo Sary
Namoaka angon-tsary tahiry marobe [8]avy amin'ny haino aman-jery sy loharano hafa ny Egyptian Conscience. Indreto ary ireo sary vitsivitsy an'i Elijah [9] sy Youssef. [10]talohan'ny vonoan'olona .

Ireo fanontaniana
Fanontanian'i R : iza no mavesa-danja kokoa ny sarin'i Ejipta sa ny ain'ireo Sodaney mpitsoa-ponenana ? [11] Fanontaniana napetrany taorian'ny fihizingizinan'ireo solombavambahoaka avy amin'ny Firahalahiana Silamo hanontany ny governemanta momba ny hetsika nataony izay nanimba ny sarin'i Ejipta eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

Hatezerana

Hetsika roa fanehoana hery no nokarakaraina teo amin'ny toerana izay nisehoan'ilay vonoan'olona tamin'ny 31 Desambra 2005. Nikarakara hetsipanoherana [12] omaly ireo vondron'ny mpitoraka bilaogy. Tian-dry zareo ny hijoro  isaky ny alakamisy hanohitra ilay hetsika.

Nitaky fanadihadiana mahaleo tena  [13]ny haino aman-jery tsy miankina, ny mpiaro  zon'olombelona, ny mpanohitra  ary ny vondrona iraisam-pirenena. Isan'izany ireo teratany Sodaney any Washington D.C [14]

Fiononana
Nahamenatra ahy ny nilaza izany, fa amin'ireo fanehoankevitra amin'ny bilaogy sasany sy ireo mpitoraka bilaogy vitsivitsy dia nilaza fa faly ry zareo hoe voaisotra tamin'ny toeram-ponenana iray malaza tahaka izany ireo mpitsoa-ponenana. Fa na izany aza, tsy nankasitraka ny famonoana ry zareo.

Kabinetra vaovao
Taterin'i [15] Elijah ny momba ilay zava-nahatsiravina niseho sy ny fanavaozana ny kabinetra farany teo. [15]

TortureInEgypt.net
Bilaogy vaovao iray (voasivana)  izay nanara-maso sy nitatitra ireny tranganà famonoana tany Ejipta ireny .  Nandrakotra lalina ny famonoana ireo mpitsoa-ponenana izy ity. Tamin'ny teny Arabo ilay bilaogy.