- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taratasin'i Ayatollah Khomeini: Fitaovam-piadiana Nokleary sy Fiafaran'ny Ady

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika

(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Araka ny tatitry ny haino aman-jery isan-karazany, nampahafantatra ampahibemaso an'i Tehran mikasika ny taratasy efa tamin'ny taona 1988 ny filoha teo aloha [1]Hashemi Rafsanjani,  [2]izay nanononana ny komandy ambony ao Iran ho nilaza fa mila baomba nokleary i Iran handresena amin’ny ady amin'i Iraka [3]. Nosoratan'ny rain'ny revolisiona Iraniana, Ayatollah Khomeini [4], ho an'ny manampahefana ambony tamin'ny andro faranytamin'ny ady ny taratasy. Nahasarika ny sain'ireo bilaogera maromaro ity taratasy ity, izay nanoratra momba ny ady, ny fitaovam-piadiana nokleary sy Rafsanjani tamin'ity herinandro ity.

Tsy mila Ady Masina

Alpar manoratra fa tsy tokony ho raisina ho masina mihitsy ny ady [5][Fa]. Hoy koa izy:

هيچ جنگي مقدس نيست. هر كس جز اين بگويد دروغ گفته. تنها آن كس راست مي‌گويد كه مي‌گويد همه آنچه گفتيم دروغ بوده. تنها راست اين است و باقي دروغ: دفاع مقدس نداريم. هيچ جنگي مقدس نيست! .
tsy misy ny ady masina. Izay milaza zavatra hafa dia lainga. Ilay hany tokana izay milaza fa lainga no nolazainay taminareo no milaza ny marina. Izany ihany no marina ary lainga ny ambiny, tsy manana fiarovana masina isika, tsy misy ady ka hoe masina.

Mohammad Ali Abtahi [6], bilaogera sady mpanao politika reformista, nilaza fa nanao hetsika feno herimpo tamin'ny famoahana ity taratasy ity sy nampahafantatra izany tamin'ny vahoaka Iraniana  [7]i Rafsanjani. Hoy izy nanohy:

as we can understand from the content of this letter, Imam believed that sometimes giving up before facts is a braver action than resistance and attack and it is more in favour of people, country, religion and values. This bravery of Imam is not less than his bravery against the previous regime…In the world of politics publishing of such letter is considered as a warning too; a warning from Hashemi to all those who ignore him. All those involved in politics, know that Hashemi has similar letters and memories.

Araka ny azontsika tamin'ny votoatin'ity taratasy ity, nihevitra i Imam fa indraindray, ny fialàna alohan'ny zava-misy dia hetsika feno herim-po kokoa fa tsy fanoherana sy fanafihana ary tombontsoan'ny vahoaka, ny firenena, ny fivavahana sy ny soatoavina izany. Ity herim-pon'i Imam dia tsy ambany noho ny herim-pony nanohitra ny fitondrana teo aloha … Eo amin'ny tontolo politika, heverina ho fampitandremana ihany koa ny famoahana taratasy toy izany; fampitandremana avy amin'ny Hashemi ho an'ireo rehetra tsy miraharaha azy. Mahafantatra ireo rehetra tafiditra amin'ny politika fa manana taratasy sy fahatsiarovana mitovy amin'izany i Hashemi.

Tsiambaratelo sy ny Nokleary

Nilaza i Freekeyboard fa nanohina ny taratasin'i Imam Ayatollah Khomeini tamin'ny faran'ny ady Iran-Iraka ny sivana tsy misy dikany tamin'ity indray mitoraka ity. Nilaza koa ity bilaogera ity fa ireo manampahefana nanadino ny teny momba ny fitaovam-piadiana nokleary sy laser dia ireo izay mitaraina ihany fa ny tontolo tandrefana dia [8]tsy mino [8] fa ho amin'ny tanjona mitandro fandriampahalemana fihany ny hetsika nokleary Iraniana [8] [Fa].

Irane Farda koa nilaza fa mety hiteraka olana bebe kokoa ho an'i Iran ity taratasy ity sy ny fanondroana ny fitaovam-piadiana nokleary, satria toa mampiseho ilay taratasy fa raha miatrika fandrahonana miaramila i Iran, dia hampiasa fitaovam-piadiana nokleary tsy misy fisalasalana [9][Fa].

Nikahang [10], mpanao sariitatra, bilaogera sady mpanao gazety malaza nilaza fa efa naniry hanana fitaovam-piadiana nokleary hatramin'ny ady tamin'i Iraka i Iran  [11][Fa]. Fotoana fohy taorian'ny namoahana ilay taratasy, nesorin'izy ireo ny fanondroana ny fitaovam-piadiana nokleary sy laser. Mampahatsiahy ny mpamaky mikasika izay vondrona mahazo tombontsoa amin'ny fitohizan'ny ady ihany koa ilay bilaogera. Maro ireo mpitarika mpiambina revolisionera no tezitra tamin'ny fanekena ny vahaolan'ny Firenena Mikambana sy ny fitsaharan'ady, nanoratra izy fa  ilaina ny mahita ny tombony azon'ireo manampahefana tamin'ny ady [12][Fa]. Nilaza koa ity bilaogera ity fa izay olona te-hampiverina an'i Iran tamin'ny andron'ny krizy tamin'ny taona 80 dia tsy maintsy ireo manana fahatsiarovana tsara momba ireo andro ireo. Araka ny filazan'i Nikahang, tsy mankasitraka ireo taratasy sy antontan-taratasy tsiambaratelo navoaka ny vondrona fondamentalista-mpandala ny nentim-paharazana, satria matahotra izy ireo fa mety hanakana ny lalana hanaovana ady hafa ny fisalasalan'ny vahoaka [13] [Fa].

Ny Herin'ny Vahoaka sy taratasy tranainy

Nilaza i Blue future fa mampiseho ny taratasy fa ny vahoaka no namarana ny ady, fa tsy ny miaramila na ny mpanao politika. Milaza ity bilaogera ity fa raha ampy ny isa te hirotsaka an-tsitrapo ho miaramila, azo antoka fa hanohy ny ady ny manampahefana [14] [Fa].

Namoaka taratasy nosoratana an-tanana tao amin'ny bilaoginy [15]i Arash Kamagir [Fa] ary nanamarika fa navoaka tao amin'ny tranokalan'i Ayatollah Montazeri [16] taona vitsy lasa izany.