- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina, Guatanamo Bay sy Vaovao Hafa

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Fanoherana, Fivavahana, Haisoratra, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Marsa 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nalaza tamin'ity herinandro ity ny raharaham-paritra sy iraisam-pirenena niaraka tamin'ireo vondrona bilaogera maroloko ao Bahrain sy any ivelany!

Mitondra antsika any Shina, Palestina sy ny Guanatamo Bay, Kiobà i Haitham Sabbah, izay ahitana fanitsakitsahana ny zon'olombelona araka ny nosoratako.

Nosamborin'ny manampahefana  [1]tao Shina ny mpiara-miasa aminay sady mpikambana ato amin'ny Global Voices, Hao Wu  [1]raha nanatontosa sarimihetsika vaovao momba ny vondrona ara-pivavahana ao Shina. Any Palestina indray, mitohy ny tantara satria maro ireo tsy manan-tsiny namoy ny ainy ary tsy voasazy ireo nahavanon-doza no sady mbola nisy nahazo valisoa aza [2]. Ny nijanonany farany dia tao amin'ny Helodranon'i Guantanamo, Kiobà, izay hitazonan'ny Amerikana an'ireo “mpampihorohoro an'arivony” tsy nandalo fitsarana ary nahazo ambaratonga vaovao indray ny fahafahana sy ny fampijaliana [3].

Tao amin'ny lahatsoratra roa, Jadd William [4]antsoina hoe Dr Abdul Hadi Khalaf,  mamelabelatra ny toe-draharaha any Iràka, voalohany tamin'ny famoahana fanangonan-tsonia avy amin'ireo Irakiana mpila ravinahitra  [5]ary avy eo indray  sary mampiseho ireo Amerikana niharam-boina [6] tamin'ny ady sy ny fibodoana.

Mandritra izany, Chanad Bahraini mitatitra ny fiharatsian'ny toe-draharaha na dia akaiky ny morontsiraka aza, manasongadina ny revolisionan'ny mpiasa manozongozona an'i Dubai, [7] izay mety hiparitaka any amin'ny firenena hafa ao amin'ny faritra, izay ampiasaina tsy ara-drariny amin'ny fotoana rehetra ny mpiasa vahiny mahantra.

Misintaka lavitra ny tranony ihany koa i Silly Bahraini Gir, mitatitra ny filazan'ny filoha Libiana, Kolonely Muammer Gaddafi [8] farany, izay nanomezany tsiny ny fomba demôkratika ao Andrefana ary mirehareha fa ny fireneny ihany no maodely ho an'ny demokrasia manerantany [9]!

Mikasika ny olana eo an-toerana, Chanad namoaka horonantsary mampihetsi-po mampiseho ny fandresen'i Ian Henderson, [10] fanta-daza ho “Mpandatsa-drà ao Bahrain”, izay tsy noraharahian'ny governemanta na dia teo aza ny fanavaozana vao haingana sy ny fampidirana ny demaokrasia raha nitatitra tamintsika ny famoriana ireo “mpahay siansa” marobe [11] izay niara-nivory tao Bahrain hanandratra ny Mpaminany Mohammed ho Tompondaka kosa i Mahmood Al Yousif. Na dia teo aza ny famandrihana nataony tamin'ny fihaonambe,  nahita tara-pahazavana indray i Mahmood, nanambara fa ny vokatra tsara indrindra tamin'ny hetsika dia ny fanatrehan'i Cat Stevens ao amin'ny Fanjakana. [12]

Mitondra antsika mankany amin'ny kolontsaina, ny literatiora ary ny zavakanto izany, izay niresaka tamin'ilay Bahrainita bilaogera sady mpanoratra Ali Al Saeed tamin'ny resadresaka “mafana” [13] ny Cerebral Waste avy ao Boston.

Sahirana ihany koa i Ali tamin'ity herinandro ity, mamaky ireo toko ao amin'ny bokiny [14] Quixotiq tao amin'ny trano fampiratiana ao Bahrain. Tsy nisy olon-kafa ankoatra ny Tooners, izay milaza amintsika momba ny zava-niainany tao [15].

Tontolo kely tokoa izany!