- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Egypta : Fihazakazahana Mankany Amin'ny Volamena

Sokajy: Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna

(Marihina fa tamin'ny 22 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Toa niantraika tamin'ny fiainan'ny olona tsirairay teto amin'izao tontolo izao ny krizy ara-toekarena izay nampihovitra ny tsena amerikana, anisan'izany ny fanapahan-kevitr'ireo  mpiasa sy ny olona izay tsy manana fifandraisana amin'ny raharaham-barotra.

Nitatitra [1]ilay bilaogera Egyptiana Zeinobia fa ny Egyptiana izay misintona ny volany any amin'ny banky dia mamadika izany ho volamena.

Les ministres et les officiels apparaissent ici et là pour calmer les gens en disant que notre économie va très bien, et que nous avons maintenant l'opportunité de capter les fonds des investisseurs du Golfe qui fuient Wall Street !! Quoi qu'ils en disent, la nationalisation de banques américaines et européennes a un impact ici aussi en Egypte. J'ai lu, et je tiens également de parents et personnes qui travaillent dans les banques égyptiennes, que les clients égyptiens retirent leur argent des banques étrangères, et tout particulièrement de  Citibank. Le problème est qu'ils ne le déposent pas dans une banque égyptienne ou arabe. Ils prennent l'argent et achètent de l'or..
Les Egyptien ont le réflexe d'investir dans l'or quand il y a une crise économique. C'est une tradition. L'or est plus sûr sur le long terme, il ne perd pas sa valeur rapidement comme les devises.

Miseho etsy sy eroa ny minisitra sy ny manampahefana mba hampitony ny vahoaka amin'ny filazana fa mandeha tsara ny toekarenantsika, ary manana fahafahana isika ankehitriny hisarihana ny volan'ireo mpandraharaha any amin'ny Helodrano izay mandositra ny Wall Street !! Na inona na inona lazainy, misy fiantraikany eto Egypta ihany koa ny fitantanan'ny fanjakana ny banky Amerikana sy Eoropeana. Namaky vaovao aho, ary reko tamin'ny ray aman-dreny sy ny olona miasa any amin'ireo banky Egyptiana, fa  misintona ny volany amin'ny banky vahiny, indrindra fa ao amin'ny Citibank ny mpanjifa Egyptiana. Tsy mametraka izany any amin'ny banky Egyptiana na Arabo izy ireo no olana. Fa alainy ny vola  ary mividy volamena izy ireo.

Mampiasa ny volany amin'ny fividianana volamena ny Egyptiana rehefa misy ny olana ara-toekarena. Fomban-drazana izany. Azo antoka kokoa ho an'ny hoavy ny volamena, ary tsy very sanda haingana y tahaka ny vola izy.