(Marihana fa efa tamin'ny volana Jolay 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)
Niresaka momba ny tsy fisian'ny fandriampahalemana ao amin'ny firenena sy ny fipoahana baomba vao haingana ireo bilaogera Afgàna vitsivitsy. Hojerentsika ny vitsivitsy amin'izy ireo.
Ny tsy fandriampahalemana
Afghan Lord miresaka momba ny herisetra isan'andro ao Afghanistan. Manome antsika ny antsipiriany momba ireo telo andro mifanesy nisian'ny herisetra izy. Manoratra izy hoe,
On 3rd of July, a time bomb killed one student girl and wounding six other girls in Herat University in western Afghanistan. Lately extremists have attacked primary school in southern Afghanistan occasionally to prevent students, especially girl students. On 4th of July, six persons were injured while a mine exploded near the ministry of justice just 200 meter away from the presidential palace. On 5th of July, a suicide attack targeted a guest house in Kandahar province left one person dead and wounded six others.
Ny 3 jolay, nisy baomba namono tovovavy mpianatra sy nandratra ankizivavy enina hafa tao amin'ny Onivesiten'i Herat any andrefan'i Afghanistan. Vao haingana ireo ekstremista no nanafika sekoly fanabeazana fototra tany atsimon'i Afganistana, mba hanakanana ny mpianatra, indrindra fa ny mpianatra zazavavy tsy hianatra. Ny 4 jolay, olona enina no naratra raha nipoaka ny vanja milevina teo akaikin'ny minisiteran'ny fitsarana 200 metatra monja miala ny lapam-panjakana. Tamin'ny 5 Jolay, nikendry mpitsidika tao amin'ny faritanin'i Kandahar ny fanafihana famonoan-tena izay nahafaty olona iray ary nandratra enina enina hafa.
Dialogue 3 milaza fa amin'izao fotoana izao, manomboka resaka ny olona rehetra amin'ny filazàna fa tsy misy fandriampahalemana ao Kabul ary ahitana Talibana ao. Nilaza koa ity bilaogera ity fa mazava ho azy, ao anatin'ny toe-javatra tsy milamina kokoa ny ampahany andrefana ao Kabul.
Ho an'ny bilaogera maro, tsy ny herisetra sy ny baomba ihany no antony mahatonga azy ireo hahatsapa tsy voaaro. Miresaka momba ny fanavakavaham-bolonkoditra sy ny fanavakavahana manomboka ao Frantsa ka hatrao Iran ireo bilaogera ireo.
Fanavakavaham-bolonkoditra
Guftego miresaka momba ny fanavakavahana any Eorôpa sy Frantsa. Manoratra ity bilaogera ity fa mijaly noho ny olana maro i Afganistana, toy ny taha ambony amin'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra saingy manao ahoana ny momba an'i Frantsa any Eoropa. Nahoana no tsy manan-kialofana ny ankizy maro mpifindra monina noho ny fanavakavaham-bolonkoditra? Hoy izy:
Second generation afghan should understand racism in France is worse than ethnic problems in Afghanistan. The blogger adds every where we are we should think about our cultural growth. If one day we come back to Afghanistan we should come as an Afghan.
Tokony hahatakatra ny taranaka faharoa Afghan fa ratsy kokoa noho ny olana ara-poko ao Afganistana ny fanavakavaham-bolokoditra any Frantsa. Nilaza koa ity bilaogera ity fa na aiza na aiza toerana misy antsika, tokony hoeritreretintsika ny fitomboan'ny kolontsainantsika. Raha miverina any Afghanistan isika indray andro any, dia tokony ho avy amin'ny maha Afghana .
Nilaza i Habib Peyman fa alain'ny Iraniana baraka ny 90 isan-jaton'ny Afghana mipetraka any Iran. Nilaza izy fa lasa mpitsoa-ponenana ao Iran ny Afghana noho ny fiteny sy ny fivavahana iombonana.