- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Krizy Nokleary, Antenina TV Zanabolana Vaky & Mpianatra Nogadraina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Aogositra 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Araka ny filazan'ny fampahalalam-baovao, nanome ny valinteniny ofisialy tamin'ny fangatahan'ny firenena matanjaka manerantany mba hampiato ny  fampitomboany ny oranioma ho takalon'ny fonosam-bola i Iran [1]. Mbola miresaka momba ny krizy nokleary Iraniana [2]sy ny vokatr'izany ny fampahalalam-baovao sy ny bilaogera manerantany. Andeha hojerentsika ireo bilaogy Iraniana vitsivitsy:

Manantena fifanakalozan-kevitra

Mihevitra i Dowdani fa ny olana sy ny fahasamihafana rehetra misy eo amin'i Iran sy ny firenena matanjaka manerantany dia azo vahana amin'ny fomba ara-drariny ary manantena fa hisy ny [3] fifanakalozan-dresaka [3]eo amin'i Iran sy ireo firenena matanjaka manerantany   [3][Fa]. Hoy koa izy

اختلاف‌هایی که همه را می‌توان به روی میز مذاکره کشاند و خرد انسانی را به خدمت پاسخیابی به آنها درآورد. یکی از آنها هم
چگونگی کاربرد فناوری هسته‌ای در کشور ماست….حکومت ایران اما تنها یک سوی گفتگوست اگر خواست مردم ایران نادیده گرفته شود،. یک چیز برای من روشن است. کسانی که مردم ایران را بر دو راهی ناچار همه یا هیچ بگذارند، تنها به هیچ خواهند رسید، به هیچ!.
Afaka resahana ambony latabatra ny fahasamihafana (olana) ary azo ampiasaina hitadiavam-bahaolana amin'izy ireo ny antony maha-olombelona. Iray amin'ireo fahasamihafana ireo ny fampiasana teknolojia nokleary ao amin'ny firenentsika. . . . Eo amin'ny andaniny iray amin'ity fifanakalozan-kevitra (fifampiraharahana) ity ihany ny governemanta Iraniana. . . ary tsy tokony odiana fanina ny fangatahan'ny vahoaka Iraniana. . . . Mazava amiko ny zavatra iray, raha mametraka ny vahoaka Iraniana hisafidy na tsy hisafidy izy ireo, mazava ho ahy fa tsy hahazo na inona na inona izy ireo !.

Nilaza ihany koa i Dowdani fa manana fahasamihafana ara-tantara hafa amin'i Iran i Etazonia ary fialàna bala ho azy ireo fotsiny ny krizy nokleary.

Milaza i Nedaye Emrouz fa raha atao amin'i Iran ny sazy, dia hitoka-monina ny firenena, ary nilaza koa izy fa hanana karatra Hezbollah Libaney eo am-pelatanany i Iran  [4][Fa].

Irane Emrouz nanoratra fa hatramin'izao, tsy nanao fanambarana momba ny sosokevitra Iraniana [5]ny G 5 + 1 [5], ary mampiseho izany fa mbola afaka manantena ny hisian'ny fifanakalozan-dresaka [5]isika [5] [Fa]. Manampy i Emrouz fa mbola azo apetraka ny sazy, satria tsy nanaiky hampiato ny tetikasa fampiroboroboana oranioma i Iran raha nangataka izany ny Fila-kevi-piarovan'ny Firenena Mikambana.

Ny krizy nokleary no mety ho antony iray ao ambadiky ny fanasaziana ny antenina zanabolana mba hifehezana ny fantsona fampahalalam-baovao [6]. Taorian'ny fanivanana ny aterineto sy ny fanakatonana gazety maro, lasa lasibatra vaovao ny antenina fahitalavitra zanabolana malaza. Bilaogera roa miizara amintsika ny fihetseham-pony sy sary amin'ity lalao an-kiafina ity.

Tsy afaka mijery izay tianao ianao

Tsy takatr'i Shabgard hoe nahoana i Iran no tokony tsy hitovy amin'izao tontolo izao. Manoratra izy hoe:;

اگر دیدن این جور کانال‌ها بد است، چرا راه اندازی می‌شود؟ اگه خوب است، چرا فقط در ایران مردم نباید ببینند؟
!ای کاش سران مملکتی قبل از هر تصمیمی کمی فقط کمی به حقوق این ملت فکر می‌کردند.
Raha ratsy ny mijery ireo fahitalavitra ireo, nahoana izy ireo no natsangana? Raha tsara, nahoana no olona ao Iran ihany no tsy tokony hijery azy ireo?. . . tsara kokoa raha mieritreritra kely momba ny zon'ny olona alohan'ny handraisany fanapahan-kevitra ny manam-pahefana!

Nilaza koa i Shabgard fa afaka mahita kapila mangilatra hijerena horonantsary (vetaveta) eny an-dalambe ianao ary tsy sahirana hanakana izany ny manampahefana  [7][Fa].

Behesht indray namoaka sary maromaro mahaliana mba hampisehoana [8]ny zavatra nataon'ny mpitandro filaminana tamin'ny antenina fahitalavitra zanabolana ao Pardisan, tanàna manodidina azy. Nilaza tamim-piesoesoana i Behesht fa indrisy, miasa iray andro isa-taona ireo rahalahy ireo mba ho avy hanimba ny antenina antsika. Te handefa antsika any paradisa izy ireo [8]! Nandritra ny adiny roa, nanjary tahaka an'i Palestina ny faritra misy antsika ary nianjera teo ambony lohantsika ny sahafa antenina!

Mpianatra tsy dia malaza lasibatra

Iray amin'ny marika faneriterena tsy mitsaha-mitombo atao amin'ny fahalalahana ao Iran ny antenina zanabolana vaky. Nanjary lasibatra indray ny mpikatroka mpianatra ary maromaro ireo nosamborina vao haingana.

Nilaza i Anjomaniha fa ao Ahvaz, nosamborina i Mehdi Makaremi, na dia tsy nisy vaovao aza ny antony nahatonga ny olona tsy nahazo nitsidika azy [9], [Fa]. Niara-niasa tamin'ny gazetiboky maromaro tao an-toerana tao amin'ny faritanin'i Khuzestan [10] i Makaremi.

Nanoratra i Kuy fa nanjary lasibatra vaovao amin'ny fisamborana [11]ireo mpianatra mpikatroka tsy dia malaza [Fa]. Nosamborina vao haingana ireo mpikatroka mpianatra roa, Derakhshandi sy Abolfazle Jahandar (izay bilaogera ihany koa).