Meksika : Tandindonim-Pahafatesana Ireo Mpampiasa Aterineto

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Septambra 2009)

Lahatsoratry ny tranonkala ARTICLE 19.

Tanànan'i Mexico – 29 septambra 2011: Hita faty tany Nuevo Laredo, ao amin'ny fari-panjakana  Tamaulipas (avaratra-atsinanan'i Meksika) i Elizabeth Macías Castro, tonian-dahatsoratry ny gazety Primera Hora ny Sabotsy 24 Septambra maraina. Nisy hafatra napetraka teo akaikin'ny fatiny, voalaza fa avy amin'ilay andian-jiolhy iray mitam-piadiana niampanga azy ho nanome vaovao tamin'ny alàlan'ny aterineto ho an'ny Tafika sy ny Marine momba ny asan'ireo mpanondrana zava-mahadomelina ao an-tanàna. Maneho ny fiarahamioriny amin'ny fianakaviana sy ireo mpiaramiasa tamin'i Elizabeth ny ARTICLE 19 ary mitaky ny governemantam-paritra ao Tamulapas mba hampanao fanadihadiana momba ilay famonoana sy hitondra ho eo anatrehan'ny fitsaràna izay meloka tamin'ity heloka bevava feno fankahalàna ity.

Herinandro roa monja taorian'ny nahitàna fatinà lehilahy iray sy vehivavy iray nihantona tamin'ny tetezana, ary voalaza fa samy mpampiasa Twitter hoy ireo manampahefana ao an-toerana, no nitranga izao famonoana an'i Elizabeth izao. Toy ny tamin'ny an'i Elizabeth dia nahitàna hafatra koa teo amin'ny toerana nanaovana ilay heloka, niampangana ireo maty ho nampiasa ny media sosialy mba hitorohana ireo hetsika heloka bevava ao Nuevo Laredo.

Nasongadin'ny hafatra hita teo amin'ny vatana mangatsiakan'i Elizabeth ny asany tety anaty aterineto tao amin'ny tranonkala antsoina hoe “Nuevo LAredo in Vivo”. Araka ilay tranonkala, fitaovana iray an-tserasera ho an'ireo mponina ao Nueov Laredo”, izay mirotsaka an-tsehatra mifanome vaovao momba izay mitranga ao an-tanàna. Ampiasaina ihany koa izy io ho toy ny sehatra ifampiresahana sy fanapariahana vaovao mba hanampiana ireo diso làlana amin'ny fampiasàna aterineto manoloana ny fandrahonan'ireo andian-jiolahy mpanao heloka. Mpandray anjara mavitrika i Elizabeth tao amin'ilay tranonkala, nanome vaovao sy nitantana ny sasantsasany tamin'ireo sehatra fifanakalozana hevitra.

Ao Meksika, mitombo faran'izay mampiahiahiy tokoa ny isan'ireo mpikatroka amin'ny media sosialy maty misy mamono noho ny zavatra ataon'izy ireo ety an-tserasera. Hanaraka akaiky ny raharaha ny ARTICLE 19 ary maneho ny firaisany hina amin'ireo olom-pirenena feno fahasahiana vonona ny handrava ny fahanginana manoloana ny vokany maningotra aina” hoy i Dario Ramirez, talen'ny biraon'ny ARTICLE 19 miandraikitra an'i Meksika sy Amerika Afovoany

Ao anatin'ny zavamisy amin'izao fotoana izao anjakan'ny herisetra atao amin'ny mpanao gazety ao Meksika, indrindra fa ao amin'ny Fanjakan'i Tamaulipas sy any amin'ireo faritra hafa voadona manokana, ampiasaina ireo tambajotra sosialy sy ireo sehatra hafa momba ny fifandraisana ety anaty aterineto, toy ny “Nuevo LAredo in Vivo” mba handravana ny fahanginana apetraka an-tery amin'ireo mpanao gazety, ny rivotra iainana feno tahotra eny rehetra eny sy ny fanaovana sivana ho an'ny tena.

Ny Fanambaràna ireo Fotokevitra momba ny Fahalalahana Maneho Hevitra navoakan'ny Kaomisiona Iraisan'i Amerika ho Fiarovana ny Zon'Olombelona dia milaza fa ny fandefasana fandrahonana, ny famonoana, ny fakàna an-kery, ny fampitahorana ireo mpampita vaovao sosialy ary hatramin'ireo fandrahonana alefa ho azy ireny dia manitsakitsaka ny zo fototra ary maneritery ny fahalalahana maneho hevitra.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.