- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Khalid Jarrar: Irakiana Bilaogera Notazonina am-ponja

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràka, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

freekhalid(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2005)

Any am-ponjan'ny Sampam-pitsikilovana Irakiana, antsoina hoe Mukhabarat ilay bilaogera Khalid Jarrar, mpanoratra ny Zava-miafina ao Baghdad [1],.

Araka ny notaterinay tamin'ny 14 Jolay, milaza i Raed rahalahin'i Khalid fa afaka ny ahiahin'ny fianakaviany raha nandre tamin'ny Alakamisy maraina hoe mbola velona i Khalid taorian'ny tsy nahitàna azy roa andro. Ny Alahady i Khalid no nanoritsoritra tao amin'ny bilaoginy  [2]ny fomba nidirana an-keriny tao an'efitranony sy nangalarana ny ‘kapila mateviny’ (disque dur). Tsy ela taorian'izay, nanjavona izy.

Mitaky ny hamotsorana azy ny fianakavian'i Khalid, na farafaharatsiny ny hilazana fa voampanga amin-javatra iray izy ary entina hotsaraina. Hoy i Raed : “Ny tanjonay amin'izao fotoana izao dia ny hitaky amin'ny “mokhabarat” hitondra an'i Khalid hiatrika fitsaràna ary hamboraka izay tena vesatra marina iampangàna azy (raha misy).”

Tohanan'ny Kaomity Ho Fiarovana ny Bilaogera ireo antso avy amin'ny fianakavian'i Jarrar [3].

Asehoy ny fanohananao an'i Khalid Jarrar amin'ny alàlan'ny fandefasana fanehoankevitra ao amin'ny lahatsoratra farany nosoratan'i Raed [4] sy Khalid [2]. Raha bilaogera ianao, miangavy mba aelezo ny feo amin'ny fametrahana rohy mankany amin'izy ireo.