Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Khalid Jarrar: Irakiana Bilaogera Notazonina am-ponja

freekhalid(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2005)

Any am-ponjan'ny Sampam-pitsikilovana Irakiana, antsoina hoe Mukhabarat ilay bilaogera Khalid Jarrar, mpanoratra ny Zava-miafina ao Baghdad,.

Araka ny notaterinay tamin'ny 14 Jolay, milaza i Raed rahalahin'i Khalid fa afaka ny ahiahin'ny fianakaviany raha nandre tamin'ny Alakamisy maraina hoe mbola velona i Khalid taorian'ny tsy nahitàna azy roa andro. Ny Alahady i Khalid no nanoritsoritra tao amin'ny bilaoginy ny fomba nidirana an-keriny tao an'efitranony sy nangalarana ny ‘kapila mateviny’ (disque dur). Tsy ela taorian'izay, nanjavona izy.

Mitaky ny hamotsorana azy ny fianakavian'i Khalid, na farafaharatsiny ny hilazana fa voampanga amin-javatra iray izy ary entina hotsaraina. Hoy i Raed : “Ny tanjonay amin'izao fotoana izao dia ny hitaky amin'ny “mokhabarat” hitondra an'i Khalid hiatrika fitsaràna ary hamboraka izay tena vesatra marina iampangàna azy (raha misy).”

Tohanan'ny Kaomity Ho Fiarovana ny Bilaogera ireo antso avy amin'ny fianakavian'i Jarrar .

Asehoy ny fanohananao an'i Khalid Jarrar amin'ny alàlan'ny fandefasana fanehoankevitra ao amin'ny lahatsoratra farany nosoratan'i Raed sy Khalid. Raha bilaogera ianao, miangavy mba aelezo ny feo amin'ny fametrahana rohy mankany amin'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.