- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo Ejiptiana Blaogera Ao Amin'ny Onjampeo

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Mediam-bahoaka

Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2005

Miarahaba an'i Big Pharaoh [1] sy Mohammed avy amin'ny Avy Ao Cairo Ampitiavana [2] tamin'ny nisehoan-dry zareo tao amin'ny NPR androany [3] (voatahiry ao amin'ny tranonkala ihany koa ny feo). Nanao asa mahafinaritra tamin'ny fampifangaroana ny feon'ireo mpitoraka blaogy roa mamaky ny lahatsorany i Eric Weiner iraky ny NPR (izay fantatro tao Tokyo), raha ny hevitro.

Im-betsaka izahay no mampifandrohy amin'izy roalahy ireo. Mino aho fa hanohy handefa lahatsoratra izy ireo… Sahala amin'ny hoe rerraka amin'ny fanoratana bilaogy i Mohammed, azo tsaraina avy amin'ny lahatsorany farany, izay azo takarina tsara. Sarotra ny mitady ny marimaritra misy eo amin'ny fanoratana bilaogy mikasika ny fiainana sy ny blaogy mikasika ireo tranga – ary raha ny marina dia ny firotsahana an-tsehatra manao azy ireny. Tsy te-hametraka tsindry aminy na amin'inona izahay, saingy mino izahay fa hahita aim-panahy izy mba hanohizana hiresahana amintsika, sy hizaràna amintsika ny fomba fijerin'izao tontolo izao avy amin'ireo mason'ny ejiptiana iray blaogera. Liana izahay no sady tena maniry fatratra.