Ireo Ejiptiana Blaogera Ao Amin'ny Onjampeo

Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2005

Miarahaba an'i Big Pharaoh sy Mohammed avy amin'ny Avy Ao Cairo Ampitiavana tamin'ny nisehoan-dry zareo tao amin'ny NPR androany (voatahiry ao amin'ny tranonkala ihany koa ny feo). Nanao asa mahafinaritra tamin'ny fampifangaroana ny feon'ireo mpitoraka blaogy roa mamaky ny lahatsorany i Eric Weiner iraky ny NPR (izay fantatro tao Tokyo), raha ny hevitro.

Im-betsaka izahay no mampifandrohy amin'izy roalahy ireo. Mino aho fa hanohy handefa lahatsoratra izy ireo… Sahala amin'ny hoe rerraka amin'ny fanoratana bilaogy i Mohammed, azo tsaraina avy amin'ny lahatsorany farany, izay azo takarina tsara. Sarotra ny mitady ny marimaritra misy eo amin'ny fanoratana bilaogy mikasika ny fiainana sy ny blaogy mikasika ireo tranga – ary raha ny marina dia ny firotsahana an-tsehatra manao azy ireny. Tsy te-hametraka tsindry aminy na amin'inona izahay, saingy mino izahay fa hahita aim-panahy izy mba hanohizana hiresahana amintsika, sy hizaràna amintsika ny fomba fijerin'izao tontolo izao avy amin'ireo mason'ny ejiptiana iray blaogera. Liana izahay no sady tena maniry fatratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.