- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran : Andiana Tafiodrivotra Nifanesisesy

Sokajy: Iràna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina

(Marihina fa tamin'ny 01 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tato anatin'ny herinandro vitsivitsy, maro ireo tanàndehibe Iraniana any atsimo sy atsimo-atsinanan'ny firenena no nandalovan'ny tafiodrivotra maromaro. Bilaogera Iraniana maro no nitsikera ny fampahalalam-baovao Iraniana noho ny tsy fitaterany azy ireo ka dia namoaka ny lahatsary sy sary antserasera maromaro izy ireo.

Nandrakitra ny horonantsary mampiseho ny tafiodrivotra tany amin'ny tanànandehibe atsimo Ahwaz [1], any amin'ny faritanin'i Khuzestan [2] i Vatanema. Hoy izy nanoratra [3][fa]:

J'ai imité les Américains, qui donnent un nom à tout, et qui appelle leur ouragan Gustav [4]. J'appelle cette tempête de sable Jasem. Entre 4 et 8 personnes ont trouvé la mort dans cette tempête semble-t-il, exactement comme pour Gustav.

Sa vidéo:

Naka tahaka ny Amerikana aho, izay nanome anarana ny zava-drehetra, sy miantso ny rivodozany hoe Gustav. Antsoiko hoe Jasem ity tafiodrivotra ity. Olona teo ho eo amin'ny 4 ka hatramin'ny 8  no toa maty nandritra izany,  toy ny niseho tamin'ny Gustav .

Ny lahatsariny:

Naka ny sarin'ny tafiodrivotra  Ahwaz ihany koa i Badahwazi ary nandefa izany antserasera eto [5].

Azonao atao ny mijery ireo sary maro hafa [6] ao amin'ny bilaogin-tsarin'i Zirsigari.

Namoaka lahatsoratra [7]  momba ny tafiodrivotra izay namely ny faritanin'i Sistan sy Balouchistan  [8]i Mohmmad Darvish, manam-pahaizana momba ny tontolo iainana Iraniana fanta-daza.

Hoy izy nanoratra:

Les médias iraniens ont tous parlé de l'ouragan Gustav (aux Caraïbes) et ont ignoré les tempêtes de sable des provinces du Sistan et du Balouchistan, particulièrement à Zabol [9] . Il semble que les opprimés de ce monde doivent être opprimés dans tous les domaines. Comparez le nombre de reportages que la télévision nationale iranienne a diffusé sur l'ouragan Gustav au nombre de reportages sur les tempêtes de sable à Zabol ou au Khouzestan.

Niresaka momba ny rivodoza Gustav (tany Karaiba) ny fampitam-baovao Iraniana kanefa tsy niraharaha ny tafiodrivotra tao amin'ny faritanin'i Sistan sy Balouchistan, indrindra fa tao Zabol [9]. Toa tsy maintsy hampahoriana amin'ny sehatra rehetra ireo ory eto amin'ity izao tontolo izao ity. Ampitahao ny isan'ny tatitra izay navoakan'ny fahitalavitra nasionaly Iraniana momba ny rivodoza Gustav amin'ny isan'ny tatitra momba ny tafiodrivotra tao Zabol na tao Khuzestan.