- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maso Arabo: Tonga Ny Voaly Mampiseho Maso Tokana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Bahrain, Maraoka, Palestina, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta

(Marihina fa tamin'ny 8 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Noho ny voaly izay mandrakotra ny tarehy kanefa mamela ny vehivavy hampiseho ny masony anankiroa dia mitaky ny voaly izay tsy mampiseho afatsy maso tokana [1] ankehitriny ny manam-pahaizana Islamika iray avy ao Arabia Saodita. Naneho hevitra ireo bilaogera avy amin'ny tontolo Arabo.

Nanamarika i Esra'a Bahrainita raha nanoratra tao amin'ny Mideast Youth [2]:

In order to remedy his disturbing temptations, Saudi cleric Muhammad al-Habadan proposes a highly convenient solution for women: one-eyed veil.

Mba hanasitranana ny fakampanahy manelingelina azy dia nanolotra vahaolana tena tsara ho an'ny vehivavy ilay mpitondra fivavahana Saodiana Muhammad al-Habadan: ny voaly toka-maso .

Hoy izy nanohy :

Great! I’ll start drilling a hole in my bed sheets right away.

But in all seriousness, such disturbing calls only further objectifies women, inviting “religious” clerics to harass and disrespect them in ways that are no longer acceptable.

I have a more fitting proposal for clerics in favor of this bogus call; gouge your eyes out with a tack hammer if you wish to refrain from being seduced. Women should no longer pay the price of your disturbing and sickening mentalities.

Tsara izany! Hanisy lavaka iray amin'ny lamba firakotro avy hatrany aho.

Saingy tsy vazivazy fa ny fitakiana manakorontana toy izany dia fanaovana tsinontsinona fotsiny ny vehivavy, ary mandrisika ireo mpitondra “ara-pivavahana” mba handrahona sy tsy hanaja azy ireo amin'ny fomba tsy azo ekena intsony.

Manana soso-kevitra tsara kokoa ho an'ny mpitondra fivavahana aho raha te hanatanteraka ity antso tsy misy dikany ity izy ireo; loary amin'ny marotoam-patsika ny masonareo raha te-hiala amin'ny faikampanahy ianareo. Tsy tokony hizaka ny haratsian'ny toetsainareo izay mampanelingelina anareo  intsony ny vehivavy .

Avy any Maraoka, nisafaoka i Myrtus [3] , nanoritsoritra ny didy ho toy ny ‘Fatwa Islamika diso’. Nanontany ihany koa izy hoe:

I wonder how many women would like to poke Sheikh Mohamed's other eye out for his asinine fatwa.

Manontany tena aho hoe firy ireo vehivavy te hanindrona ny mason'i Sheikh Mohamed ilany noho ny fatwa-ny mampihomehy.

Nanoritsoritra ilay voaly toka-maso ho ‘mampihomehy’ ilay Palestiniana  Haitham Sabbah [4]

Hoy izy:

This is just getting out of hand. Ridiculous…

Vao mainka tsy ho voafehy izany. Mampihomehy …:

Hoy izy nanohy :

Why don’t they enforce full-face cover and kill the issue? What do you call this? Religion and Islam? No Way!

Oh… by the way… anyone knows which eye should be covered? Left of right? (I assumed left because they keep on telling us to do things with our RIGHT thing… Ah… now I’m getting the rule. “Do the Right things with the RIGHT things only.” This is where the Human “Rights” came from and here we see it in action.

Long live “One-Eye Veil.”

Nahoana izy ireo no tsy mampihatra ny sarontava tanteraka ary mamono ilay olana? Inona no iantsoanao an'izany? Fivavahana sy Islamo? Tsia!

Oh … eny tokoa … misy olona mahafantatra ve hoe ilay maso iza no saronana? Ankavia sa ankavanana? (Mino aho fa ny havia satria mbola manohy milaza amintsika izy ireo mba hanao zavatra MARINA … Hay Takatro ankehitriny ilay fitsipika . “Manaova ny Marina miaraka amin'ny zavatra MARINA  ihany.” Avy amin'izany no nahatonga ny “Zon'olombelona”  ary hitantsika izany eto .

Ho ela velona anie ny “Voaly Toka-maso.”

Nandefa sary izay mampiseho ny endriky ny vehivavy manao ny voaly toka-maso ihany koa eto [4]i Sabbah .