- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bitsibitsika Afghana: Fivadiham-pinoana

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Afganistana, Fahalalahàna miteny, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Marihana fa efa tamin'ny volana Marsa 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Samy nahare momba an'i Abdul Rahman, Afghana izay niova ho Kristiana, nigadra, ary nahita fialokalofana tany Italia isika. Andeha hojerentsika izay lazain'ny bilaogera Afgana momba izany:

Afghan Lord tmiresaka momba ny tantaran'i Abdul Rahman. [1]Hoy izy:

“Abdul Rahman [2] lived for a long time in Pakistan and was known in the past as a fundamentalist. He had worked for Mudjaheedin [3] and had fought against the Soviet Union….This makes clear for people that he was an active member of Jamiat Islami [4] party which was lead by Ahmadshah Masood [5], a warlord (The warlord who destroyed the Kabul city vastly). Assassinated by a suspected terrorist just a week before September 11, 2001. In recent years Abdul Rahman was living in Germany, but was deported last year after his asylum seeking was rejected. Abdul Rahman went out of the country but now caused a big tension in the country which can not be stopped soon very easily.”

“Nonina nandritra ny fotoana ela tao Pakistan i Abdul Rahman [2] ary fantatra taloha ho fondamentalista. Niasa tao amin'i Mudjaheedin [3] izy ary niady tamin'ny Firaisana Sovietika …. Manazava amin'ny olona izany fa mpikambana mavitrika tao amin'ny antoko Jamiat Islami [4] izay tarihin'i Ahmadshah Masood [5], mpitarika ady (mpitarika ady izay nandrava ny tanànan'i Kabul) izy: Novonoin'ilay ahiahiana fa mpampihorohoro herinandro monja talohan'ny 11 Septambra 2001. Nandritra ny taona vitsy lasa, nonina tany Alemaina i Abdul Rahman, saingy voaraoka tamin'ny taona lasa rehefa nolavina ny fitadiavany fialokalofana. Nivoaka ny firenena i Abdul Rahman saingy niteraka disadisa lehibe ao amin'ny firenena izay tsy mety hitsahatra vetivety. “

Safrang, bilaogera Afghana monina any Etazonia, niresaka momba ny tafatafany niaraka tamin'ilay mpitondra fivavahana Miozolomana teo aloha tao Guantamo, Atoa. James Yee [6], ary nanontany azy momba ny fihemorany tsy ho Silamo [7]. Araka ny nolazain'ilay mpitondra fivavahana hoe:

“In the early days of Islam, when apostasy was made a crime punishable by death, it was not simply to execute those who abandoned Islam for their change of belief.”

“Tany am-piandohan'ny silamo, raha natao heloka bevava azo saziana ho faty ny fivadiham-pinoana, tsy hoe mamono ireo izay niala ny finoana Silamo noho ny fivadihan'izy ireo finoana fotsiny izany”.

Notohizan'ilay bilaogera tamin'ny filazana momba ny antony ara-tantara nandraisana ny fivadiham-pinoana ho heloka bevava,

This is the sort of thing that I have not often read in the news in relation to the apostasy case in Afghanistan. This is the sort of thing that people in the West have to pay attention to as much as the clerics and judges ruling on this case.

Karazan-javatra mbola tsy novakiako matetika tao amin'ny vaovao ny mikasika ny raharaha fivadiham-pinoana any Afghanistan. Karazan-javatra tokony ho eritreretin'ny olona ao amin'ny Tandrefana izany, tahaka ireo mpitondra fivavahana sy mpitsara misahana ity raharaha ity.