- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanontaniana Ho An'ireo Iraniana Blaogera : Inona No Lazain'Ireo Blaogy Persiana?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2005)

Manasa blaogera iray miteny persiana ny Global Voices mba hanampy amin'ny fanomezambaovao ho an'izao tontolo izao momba izay lazain'ireo bilaogy persiana mahakasika ny fifidianana ao Iràna. Mampalahelo fa tsy manana olona mamaky ny farsi izahay ao amin'ny ekipanay (tamin'ny taona 2005).

Raha maniry ny hanampy ianareo, azafady mandefasa famintinana iray amin'ny fiteny Angilisy eo amin'ny blaoginareo – miaraka amin'ireo famintinana sy angamba fandikàna ireo fitanisàna fototra koa, ary ireo rohy mankany amin'ireo hafatra niandohana mba hahafahan'ireo olona manana fahaizana an'ilay fiteny hijery ilay loharano. Noho izany, azafady ampahafantaro anay ao anatin'ny faritra natao hametrahana fanehoankevitra ato amin'ity lahatsoratra ity hoe efa nanao izany ianareo, ary ho any araka izay haingana indrindra izahay.

Fanampin'izay, raha tsy manana blaogy ianareo nefa manana fahaizana an'ilay fiteny mba ho fanampiana, azafady mifandraisa aminay ao amin'ny: globalvoices [1]

Misaotra indrindra!!