121 taona Taty Aoriana Vao Nisy Mpihira Tompotany Niantsehatra Tao Amin'ny Teatro Amazonas Tao Brezila

Djuena Tikuna nandritra ny fampisehoany tao amin'ny Teatro Amazonas. Sary: pikantsary, Jornalistas Livres (Youtube)
Tamin'ny 23 Aogositra, i Djuena Tikuna no mpihira indizeny voalohany nanao fampisehoana tao amin'ny Teatro Amazonas (” Teatira Amazonas”) – fanamafisana ny kolontsaina Eoropeana eo afovoan'ny ala tropikaly lehibe indrindra erantany.
Namokatra sy nalaza tamin'ny fanombohany ny asany Tchautchiüãne, na “ilay tanànako” amin'ny fiteny Tikuna ilay mpanakanto 32 taona. Aingam-panahy avy amin'ny vanim-potoana firoboroboan'ny fingotra Amazoniana ilay rakikira, izay nahitana ny fitrandrahana goavambe amin'ny hazo fingotra tao amin'ny faritra – sy ny mponina tao amin'ny faritra – nanomboka tamin'ny fiodinan'ny taonjato faha- 20.
Iray amin'ireo fanjakanamanana mponina indizeny betsaka indrindra ny fanjakan'i Amazonas, mandrafitra manodidina ny 17% amin'ireo mponina indizeny miisa 896.000 monina any Brezila amin'izao fotoana izao.
Avy amin'ny vahoaka Tikuna i Djuena – vondrom-poko indizeny lehibe indrindra ao Brezila – ary milaza azy ho “mpihiran'ny hetsika indizeny” izy. Araka ny voalazan'i Djuena, vahoaka “tena tia mozika” ny Tikuna; araka ny notantarain'ny reniny taminy, sy notantarain'ny renibeny tamin'ny reniny, ary ny razambeny kosa no nilaza izany tamin'ny renibeny.
Feno ny fomba fisainan'ny mpikatroka ny tononkirany; Miresaka ny zava-dehibe amin'ny fiarahamoniny izany , toy ny tontolo iainana sy ny famaritana ny tany. Ny fihirany amin'ny fiteny Tikuna no tena zava-dehibe , izay safidiny ara-politika :
Alguns povos não falam mais a sua língua. Já pensou se canto em português? Os jovens que estão me assistindo vão querer me imitar. Mesmo na cidade, temos de manter a língua e a identidade.
Tsy miteny intsony ny fiteniny ny olona sasany Azonao an-tsaina ve raha mihira amin'ny teny Portiogey aho? Te hanao toa ahy ireo tanora mijery ahy. Mila mitana ny fiteninay sy ny mari-panondroanay izahay na dia ao an-tanàndehibe aza.
Mba hahafantarana ny maha-zava-dehibe ilay fampisehoany ho an'ny vahoaka indizeny Breziliana dia ilaina ny manao jery todika ny tantaran'ity Teatro Amazonas ity.
Novolavolain'ny Ivontoeram-pampianarana Portiogey ho an'ny Injeniera sy ny Fanaova-Maritrano ao Lisbonne ny tranobe, ao afovoan'i Manaus, renivohitry ny fanjakana Amazonas, ary notokanana tamin'ny taona 1896, nandritra ny firoboroboan'ny fitrandrahana fingotra tao amin'ny faritra.
Raha niditra tamin'ny dingana voalohany ny vanim-potoan'ny indostrian'ny fiarakodia dia nanaporofo ny fahitana ny fitrandrahana fingotra avy amin'ny hazo seringueira – izay hita matetika ao Amazona – fa tena raharaham-barotra nampidi-bola tokoa izany ary nahasarika mpampiasa vola, mpandraharaha, mpifindrafindra monina ary mpiasa maro avy any amin'ny faritra hafa tao Brezila.
Nampiasa ny teknikan'ireo tompotany ny indostria mba hangalana ny fingotra voajanahary avy amin'ny hazo, ary nahatonga ny renivohitry ny fanjakana any avaratr'i Brezila ho anisan'ireo manankarena indrindra ao amin'ny firenena ny harena nentiny. Ho fanehoana tanjaka amin'ity harena vaovao ity, nanolo-kevitra sy nanohana ara-bola ny fananganana ny Teatro Amazonas ny sangany tao an-toerana – tetikasa iray izay naorin'ny mpiasa tompotany.
Tsy ny fiovàn'ny olona indizeny maro ho mpiasa mahantra ihany no hany fahavoazana vokatry ny firoboroboan'ny fitrandrahana fingotra fa nahitana fandroahana faobe ireo foko samihafa tao amin'ny taniny ihany koa ity vanim-potoana ity.
121 taona izay no lasa raha nanorina ny Teatro Amazonas ireo mpiasa tompotany, ary voalohany izao no niakatra an-tsehatra ny mpanankato tompotany tao amin'ny iray amin'ireo vakoka manan-danja indrindra tamin'izany vanim-potoana izany.
Nandao ny tanànakely i Djuena raha mbola kely izy ary nandeha nonina tany Manaus. Tao amin'ny sombin-dahatsoratra notaterin'ny tranonkala Jornalistas Livres, dia nilaza izy fa avy amin'ny fanontaniana iray napetrany hoe: “Nahoana aho no tsy afaka mihira ao? Satria ve aho tompotany? ” ny hevitra noraisiny mba hanaovana ny fampisehoany ao amin'ny Teatro Amazonas.
Nampiany hoe :
Quando eu cantei no palco do Teatro Amazonas com eles, que nós batemos os pés, é uma forma de eu estar dizendo: estamos aqui, parentes. Vocês sofreram por causa dessa construção, mas nós estamos aqui, vamos continuar aqui lutando e vamos continuar aqui resistindo.
Rehefa nihira niaraka tamin'izy ireo an-tsehatra tao amin'ny Teatro Amazonas aho, ary nagodogodonay ny tongotray dia fomba iray ho ahy izany hilazako hoe: eto izahay, ry mpiray foko. Nijaly ianareo noho ity tranobe ity , saingy eto izahay, mbola manohy miady eto izahay ary mifikitra mijoro eto.
Nifarana tamin'ny fitakiana ny “Demarcação já!” (“Farito ny [tany] izao!”) ny lahatsary izay anisan'ny ao anatin'ny fanentanana - anisan'izany ny hiran'ny hetsi-panoherana navoakan'ireo mpanakanto tamin'ny fiandohan'ity taona ity mba hiarovana ireo tanin'ny tompotany sisa tavela amin'ny alàlan'ny fiantohana fankatoavana ara-dalàna feno, olana izay vao mainka nohalefahina mandritra izao fitondran'ny governemantan'ny filoha Breziliana Michel Temer izao .
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...