Mitety An'i Japana Amin'ny Bus … Ao Amin'ny YouTube

Nagasaki Kenei Bus Shimabara

Mandray ny Nagasaki Kenei bus ho any Shimabara Saikinosy. Sary avy amin'i Nevin Thompson.

Nanatontosa zava-bita mahatalanjona i Tamura Kenichi: nandeha tany amin'ny faritra farany ambony ka hatrany amin'ny farany ambany tao Japana izy tamin'ny alalan'ny bus tao an-toerana izy.

Ankoatra izany,  nandefa lahatsary momba ny diany (lahatsary miisa 220) tao amin'ny YouTube izy ho andiana lahatsary miaraka amin'ny anaran'ny mpisera hoe OleOleSaggy.

Nanomboka teo akaikin'i Wakkanai izay tendrony avaratra indrindra ao Japana ny andiana lahatsary voalohany. Nitohy ny dia manerana ny morontsiraka mihataka ny Ranomasina Okhotsk tamin'ny alàlan'ny bus, namakivaky ny tanàna mahavariana ao Japana. Tsy voarakitra tao anatin'ny lahatsary avokoa ny dia naharitra 11 ora , kanefa tena mbola mahaliana izany hanavatsavana an'i Japana.

Niaraka tamin'ny lahatsary mihoatra ny 200 ary telo taona taty aoriana, namarana ny diany tao amin'ny Seranana Kagoshima i OleOleSaggy, izay halavirana, arakaraka ny lalana nodiavina, fara-fahakeliny mirefy 2.600 kilometatra. Azonao jerena ato ny fitsidihana iray manontolo .

Araka ny voalaza tao amin'ilay andian-dahatsary, mbola tsy nahavita tanteraka ilay tetikasa i OleOleSaggy, manana fikasana izy handeha sy handrakitra ny lalan'ny bus maro amin'ny antsipiriany bebe kokoa, sy handeha bus iray andro mamakivaky an'i Okinawa ho famaranana ny andian-dahatsary ihany koa.

Anisan'ny sokajy iray na zana-kolontsaina iray ao amin'ny Youtube antsoina hoe “front-view”  (前面展望zenmen tenbo) ny lahatsarin'i OleOleSaggy , izay ahitana ireo mpankafy fiarandalamby na bus mandrakitra sary sy mandefa ny lahatsarin'ny lalan'ny fiarandalamby na bus manerana an'i Japana .

Ao amin'ny lahatsary iray hafa, mandeha bus miala ao an-drenivohitry ny tanànan'ny lapa ao amin'ny Ranomasin'i Japana Kanazawa , any amin'ny morontsiraka lavitra andrefan'ny Saikinosy Noto , làlana tokony ho 100 kilometatra eo ho eo i OleOlesaggy .

Raha mamakivaky ireo tanàndehibe mitoka-monina vitsivitsy any amin'ny morontsiraka ilay bus any amin'ny faran'ny lahatsary, izay mifototra amin'ny resadresaka mafana sy feno fanentanana dia mazava fa tena sariaka amin'ny mpandeha ny mpamily, mahatoky ny tolotra omen'ny fitaterana ireo mponina mba hivezivezena amin'io faritra ambanivohitra io.

Ahitana andian-dahatsary ampolony sy lahatsary an-jatony amin'ny bus sy sy fiarandalamby “front-view”  izay mamakivaky manerana an'i Japana ny fantson'i OleOleSaggy YouTube . Manana pejy Facebook sy kaonty Twitter ihany koa izy, ary fantsona Youtube hafa ihany koa izay natokana tanteraka amin'ny fomba fikarakarana ny “ekiben” (sakafo antoandro anaty boaty izay hita amidy any an-toerana any amin'ny ankamaroan'ny  fiantsonan'ny fiarandalamby lehibe manerana an'i Japana) ao an-dakozia any an-tranony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.