Mpikatroka Miatrika Sazy An-tranomaizina Noho Ny Bokiny Mitsikera Ny Tetikasa Fampifandraisana Ny Renirano Indiana

Sarintanin'ny tetikasa Mampifandray ny Renirano ao India. Sary avy amin'i AmyNorth tao amin'ny Wikimedia Commons. CC BY-SA 3.0

Ny 22 Oktobra, niampanga mpampianatra sady mpikaroka ary mpikatroka antsoina hoe T. Jayaraman ny polisy ao amin'ny fanjakana Indiana Atsimo-Atsinanan'i Tamil Nadu noho ny fanehoan-kevitra voalaza fa nataony tao amin'ny bokiny nivoaka vao haingana. Niampanga an'i Jayaraman ho nanohitra ny fiandrianam-pirenena sy ny fampidirana, hetsika iray saziana eo ambany ny fehezan-dalàna famaizana Indiana Fizarana 153B (1)(b) ny polisy ao Mayiladuthurai- tanàna iray ao Tamil Nadu.

Mpampianatra ao amin'ny Ivotoerana Tata momba ny Siansa Sosialy ao Mumbai i Jayaraman ary mpikaroka momba ny politikan'ny toetr'andro. Fantatra amin'ny fikatrohana ataony amin'ny fanakanana ny tetikasa fakana etona metanina ambanin'ny tany ao Tamil Nadu ihany koa izy.

Ny volana jolay lasa teo, nosamborina niaraka tamin'ireo valo hafa ihany koa i Jayaraman  – noho ny fandraisana anjara tamin'ny hetsi-panoherana ny indostria iraisam-pirenena, Oil and Natural Gas Corporation, sy ny fanangonana solika ao Kathiramangalam ao Tamil Nadu. Notanana am-ponja tao amin'ny Fonja Foibe Tiruchirappalli izy nandritra ny 42 andro, nanoratra bokikely 48 pejy tao anatin'ny fifandirana ankehitriny i Jayaraman.

Navoaka ny andro tamin'ny niampangàna an'i Jayarman ny bokikely mitondra ny lohateny hoe: “Nathigalai Inaippum Aarugalai Pideni Virkkum India” (Fampifandraisana ireo Renirano sy i India Maka sy Mivarotra ny Reniranony), ary voalaza fa miresaka momba ny ahiahy fa mety hitarika fifehezan'ny orinasa ny loharanon'ny vahoaka ny tetikasa Fampifandraisana Renirano.

Nitory ilay mpanao fihetsiketsehana manohitra ny Metanina, T Jayaraman noho ny Fanambarana & Famoahana hevitra manohitra ny tsy famakivakiana ny firenena ny FIR

Ny Indian Rivers Inter-link dia tetikasa asa vaventy mikendry hampifandray ireo reniranon'ny saikanosy sy ny Himalayana miisa 37. Ny hevitra dia hoe ho asiana tohodrano ny renirano be rano, ary ho alefan'ny tambajotra dobo sy lakandrano any amin'ny renirano izay mila tosi-drano bebe kokoa ny rano be loatra. Mikendry hampihena ny tondra-drano miverimberina any amin'ny faritra sasany ao amin'ny firenena sy ny tsy fahampian-drano any amin'ny toeran-kafa ity tetikasa ity. Na dia izany aza, nampitandrina ireo manam-pahaizana momba ny tontolo iainana sy ny mpiaro ny tontolo iainana fa tsy malina, sy mampidi-doza ny tetikasa ary loza andrasana. Maherin'ny antsasa-tapitrisa ny olona no azo inoana fa mety ho voatery hafindra toerana noho ny tetikasa, ary tany azo ambolena maro be no ho rava.

Araka ny filazan'i Jayaraman, tsy vitany hoe tsy misy dikany ihany ny tetikasa, fa mety hitarika fifehezana ataon'ny orinasa amin'ny loharanon'ny vahoaka:

…the corporate companies are funding this project, and in return, the rivers will be under their control and the farmers and public have to buy water from these corporate companies and the book deals with these problems.

… mamatsy vola an'ity tetikasa ity ireo orinasa, ary ho setrin'izany, ho eo ambany fifehezany ny renirano ary tsy maintsy mividy rano any amin'ireo orinasa ireo ny mpamboly sy ny vahoaka, miresaka momba ny fiadiana ireo olana ireo ilay boky.

Nilaza i Jayaraman fa tsy misy dikany ny fiampangana ary tsy mamely ny tsy famakivakiana ny firaisam-pirenena ny boky. Nanontany ihany koa izy:

How is this a democracy if I am not allowed to express my thoughts? Are we not allowed to write against government schemes anymore?

Ahoana ny maha-demokrasia raha tsy avela haneho ny eritreritro aho? Moa ve isika tsy avela hanoratra hanohitra ny tetikasan'ny governemanta intsony.

Naneho hevitra tao amin'ny Twitter ny olona:

Mampalahelo izany! Moa ve very zo tsy mahazo manakiana ny drafitry ny governemanta toy izao ny olona?

Misy olona afaka mampahafantatra ahy ve hoe nahoana no lasa fikomiana ny fanoherana ny politikan'ny governemanta ?

 Maharikoriko Izany. Tsy azo sakanana ny adihevitra; tsy tokony hangina ny feo manohitra. Tsy tokony ampiasaina amin'ny tsy izy ny lalàna.

Taloha, nampiasa ny lalànan'ny fikomiana ny governemantan'i Tamil Nadu mba hamelezana ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny nokleary. Tamin'ny volana Desambra 2011, maherin'ny 6.000 ireo mpanao fihetsiketsehana avy amin'ireo tanàna mpanjono Idinthakarai sy Kudankulam voampanga teo ambanin'ny Fizarana 121 (manangana ady amin'ny governemanta) sy ny Fizarana 124A (fikomiana) ao amin'ny Fehezan-dalàna Famaizana Indiana noho ny fihetsiketsehan'izy ireo manohitra ny Orinasa Foibe Nokleary Kudankulam. Tamin'ny taona 2016, nisy ihany koa ny fiampangana fikomiana ny Amnesty International India noho ny antony voalaza fa nanevateva an'i India ny teny filamatra sasany nampiasaina tamin'ny iray tamin'ireo hetsika nataon'izy ireo.

Mpisolovava sady Mpikatroka Prashant Bhushan avy any New Delhi nanoratra tao amin'ny Facebook:

Sedition case for writing against river linking! This is a most financially, socially, environmentally disastrous idea.

Raharaha fikomiana noho ny fanoratana lahatsoratra manohitra ny fampifandraisana renirano! Ity no hevitra mahatsiravina indrindra ara-bola, ara-tsosialy, ara-tontolo iainana.

Manafintohina. Lalànany koa ny polisin'i Tamil Nadu. Tamin'ny taona 2012, nametraka fitoriana raharaha fikomiana 8000 noho ny fihetsiketsehana tokana izy ireo.

Ho hita eo raha hitohy ny raharaha fanenjehana ny Profesora Jayaraman. Tamin'ny raharaha Kedarnath mifanandrina amin'ny Fanjakan'i Bihar (1962), mamaritra ny famerana ny zon'ny olom-pirenena hanakiana ny governemanta toy izao ny Fitsarana Tampony Indiana:

A citizen has the right to write or speak anything about the government or its measures, by way of criticism or comment so long that it does not incite people to do violence against the government established by law or with the intention of disrupting public order.

Manan-jo hanoratra na hiresaka zavatra momba ny governemanta na ny fepetrany ny olom-pirenena, amin'ny alalan'ny fanakianana na fanehoan-kevitra, raha toa ka tsy mandrisika ny olona hanao herisetra amin'ny governemanta napetraky ny lalàna izany na amin'ny fikasana hanakorontana ny filaminam-bahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.