Feon'Ankizy avy any Darfur

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka ny Aprily 2005)

Ny Febroary 2005, nalefan'ny Human Rights Watch tany Tsady ireo Dr. mpikaroka, Annie Sparrow sy Olivier Bercault mba hiresaka amin'ireo mpitsoaponenana nandositra ireo daroka baomba sy ireo fanafihan'ny milisy Janjawid tany Darfur. Araka ny mahazatra dia manome pensilihazo sy taratasy ho an'ireo ankizy ny dokoteranjaza, Sparrow, mba hanalàna andro azy ireo mandritra ny fanadihadiany ireo ray aman-dreny. Rehefa nanome pensilihazo an'ireo zaza nitsoaka an'i Darfur izy, nampivarahontsana sy mahery ireo vokatr'izany.

Tsy nampirisihana akory ireo ankizy dia nanao sarinà milisy nitaingina soavaly nanani-bohitra, fiaramanidina goavana nandaroka baomba, ary lehilahy nandrantiranty basy manolana ireo vehivavy. Rakitra hita maso an'ireo habibiana niseho tany Darfur izay tsy hita anatinà rakitra amin'ny endriny hafa ny sary nataon'ireo ankizy ireo. Nahazo fijoroana vavolombelona maro mikasika ny fandarohana baomba vohitra sy ny fanolànana ho entiny miady ireo mpiaro ny zon'olombelona, kanefa dia nomen'ireo sary ireo ny porofo mivaingana izay tsy afaka nomen'ireo fikambanan'ny media iraisampirenena, satria tsy navelan'ny governemanta Sodaney hisidina tany Darfur izy ireo.

Tonga saina tamin'ny lanjan'ireto sary ireto i Sparrow sy Bercaultka nanomboka nanangona ireo kahie avy amin'ireo ankizy anatin'ireo toby misy ireo mpitsoaponenana. Hitan'izy ireo tanatin'ny ankamaroany fa voasolon-tsarisary maneho toeram-piadiana, trano falafa may ary vohitra potipotika ireo rakitra an-tsoratra momba ny lesona. Nanomboka nitafatafa tamin'ireo ankizy izy roa momba ny sarin'izy ireo:

Leila, 9 taona
Human Rights Watch: Inona no zava-mitranga eto?
Leila: May ny trano falafako taorian'ny nianjeran'ny baomba teo amboniny.
Human Rights Watch: Ary eto? [Manondro ny sary toa misy vehivavy mitsingoloka]
Leila: Vehivavy io. Maty izy.
Human Rights Watch: Maninona no miloko mena ny tarehiny?
Leila: Oh, satria voatifitra teo amin'ny tarehiny izy.
Human Rights Watch: Inona ity fiara ity? Iza ity miankanjo maitso ity?
Leila: Fiara mifono vy io. Miaramila ilay lehilahy miankanjo maitso.

Nitondra sary an-jatony tany amin'ny biraony ireo mpikaroka ireo. Rehefa tany amin'ny Human Rights Watch aho herinandro lasa izay, nisy antontan'ireny sary ireny teo ambonina latabatra fanaovana fivoriana, teo akaikinà antontan-tsary avy amin'ireo milisy Janjawid. Ny nahatalanjona ahy dia ny fifanarahan'ireo antsipiriany hita tanatin'ny sarin'ireo ankizy sy ny antsipiriany hita tanatin'ireo saripika- ny tahirim-basilava, ny endrika boriborin'ireo trano, ny fipetraky ny miaramila roalahy mitaingina soavaly. Nazava tamiko avy hatrany fa tsy fitaovam-piadiana nonofinofisin'ireo ankizy fotsiny ireo sary ireo, fa fijoroana vavolombelona.

Handefa ny sasany amin'ireo sary ireo ao amin'ny gazetibokiny mpivoaka isak'Alahady ny New York Times, ary hanasongadina ireo sary ireo anatinà fandaharana kosa ny fahitalavitra Alemà amin'ny faran'ny herinandro. Angamba mety hanampy izao tontolo izao handinika ny fanadiovana foko sy ireo heloka bevava atao amin'ny maha olona miseho any Darfur sy any amin'ireo toby ho an'ny mpitsoaponenana any Tsady ireo sary ireo.

Raha mila fanazavana fanampiny:
Rakitr'ireo sary tao Darfur an'ny HRW
Lahatsoratry ny Human Rights Watch momba an'i Darfur
Passion of the Present – Mpikatroka mafana fo ao anaty aterineto miasa mba hisarihana ny saina amin'ny krizy ao Darfur

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.