- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bitsibitsiky ny Afghana: Fianjerana Fiaramanidina & Fitroarana

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Afganistana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Voina

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona taona 2006 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Araka ny filazan'ny haino aman-jery herinandro lasa teo izay, niparitaka manerana ny renivohitra ny fihetsiketsehana mahery setra manohitra ny vahiny tamin'ny Alatsinainy rehefa nandòna fiara maromaro ny kamiao miaramila Amerikana [1]. Andeha hojerentsika izay lazain'ny bilaogera momba ity zava-nitranga ity.

Inona no nitranga? Nahoana

Afghan Warrior mizara ny fomba fijeriny amintsika [2]:

“Most Afghans complain about the aggressive driving of the US military convoys. Coalition military convoys often pass through the crowded areas at high speed and sometimes disregard traffic rules. We know such driving tactics are necessary to protect the convoys from attack but they should also remember that it's also dangerous for people and civilian cars. I hope our police should seek better ways to handle the protesters and instead of killing them with bullets they must use tear gas and other equipment to separate the protesters. This one accident will not affect anything bad in our relationship with the United States of America and our friendship will continue. The Afghan people need the presence and support of the United States in order to defeat the terrorists and make a peaceful and safer world.”

“Mitaraina momba ny fitondrana fiara maherisetraataon'ireo fiara mitandahatra an'ireo miaramila Amerikana ny ankamaroan'ny Afghana. Matetika mandehandeha eny amin'ny faritra be olona amin'ny fandehanana mafy ireo fiara mitandahatra an'ny miaramila ary indraindray tsy manaja ny fitsipika momba ny fifamoivoizana. Fantatsika fa ilaina hiarovana ireo fiara mitandahatra amin'ny fanafihana ny tetikady fitondrana fiara tahaka izany saingy tokony ho tsarovan'izy ireo fa mampidi-doza ho an'ny olona sy ny fiaran'olo-tsotra ihany koa izany. Manantena aho fa tokony hitady fomba tsara kokoa hitantanana ireo mpanao fihetsiketsehana ny polisy, mba tsy hamonoana azy ireo amin'ny bala, tsy maintsy mampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy fitaovana hafa mba hanasarahana ireo mpanao fihetsiketsehana izy ireo. Tsy hisy fiantraikany ratsy amin'ny fifandraisantsika amin'i Etazonia Amerika izany ary hitohy ny fifankatiavantsika. Mila ny fanatrehana sy ny fanohanan”i Etazonia ny vahoaka Afghana mba handresy ireo mpampihorohoro sy hametraka tontolo milamina sy azo antoka kokoa. “

Fifosana eny rehetra eny

Nilaza ny Dialogue 3 fa misy ny fifosana eny rehetra eny [3]. Araka ny voalazan'ilay bilaogera, milaza ny sasany fa mamo ilay mpamily Amerikana. Manazava izy fa tsy fantatr'ireo olona ireo fa tsy misotro toaka amin'ny maraina  ny Tandrefana. Milaza ny olona hafa fa tafiditra tamin'ity hetsika ity ny foko Tajik mba hanery ny governemanta. Farany, misy ny milaza fa nataon'ny mpangalatra ity hetsika ity mba hanararaotana amin'ny korontana. Mihevitra izy fa mety mitombina kokoa ity hevitra farany ity. Nilaza koa izy hoe, mampiseho izany fa tsy nianatra ny fomba fanoherana ny  vahoaka Afgana ary mitarika mankany amin'ny herisetra ny zava-drehetra.

Noana & Tezitra

Faraye Niko bad milaza fa marina ny an'ny olona. Noana ny ankamaroan'ny olona, tsy an'asa ary tsy manana mofo hohanina. Nilaza koa izy fa tsy manan-jo hanitsaka ireo fiara Afghana sy hitifitra olona tonga nanampy azy ireo ny Amerikana [4].