- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogy Afghanistana: Gazety, Zaher Shah & Talibana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Afganistana, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Desambra 2005)

Garderah [1], bilaogera Afghana izay nitsidika an'i Afghanistan vao haingana, nanoratra fa maro ny Afghana gaga amin'ny hamaroan'ny isan'ny gazety, radio, fahitalavitra tsy miankina izay miasa ankilan'ny an'ny governemanta. Nilaza i Garderah fa diso fanantenana izy nahita fa misy gazetim-panjakana miresaka bebe kokoa momba an'i Zaher Shah [2], mpanjaka teo aloha, fa tsy ny filohan'i Afghana na ny minisitry ny governemanta. Nampiany koa fa tsy azony ny antony mahatonga ireo gazety ireo miantso an'i Zaher Shah ho rain'ny firenena.

Afghan Warrior [3] (Rohy amin'ny teny Anglisy) manoratra momba ny fandoroana ny fatin’ ireo Taliban.

“Most Afghan people don't really care about the burning of the dead [4]Taliban [5] bodies because they don't have a good memory of the Taliban. During their government life was very hard and they were teasing people for no reason. In my opinion the last decision of the US military that some local Afghan National Army and national police will be consulted in the cleanup operations would be very useful…”

“Ny ankamaroan'ny vahoaka Afgana dia tsy miraharaha loatra ny fandoroana ny faty Taliban  [4]satria tsy manana fahatsiarovana tsara momba ny Taliban izy ireo. Tena mafy ny fiainana ary nila vaniny tamin'ny olona tsy amin'ny antony izy ireo nandritra ny fitantanan'izy ireo. Araka ny hevitro, tena ilaina ny fanapahan-kevitra farany noraisin'ny miaramila Amerikana haka ny hevitry ny Tafi-pirenena Afganistana sasany sy ny polisim-pirenena amin'ny hetsika fanadiovana … “

Afghan Lord [6] (Rohy amin'ny teny Anglisy) niresaka ny fitsidihany tany Teheran. Nilaza izy fa tanàna mahafinaritra i Tehran saingy sarotra ho an'ny tanora ny toe-javatra. Momba ny sivana amin'ny aterineto indray dia nilaza izy hoe:

“I couldn’t believe that Filtering in Iran is very hot when I was in Kabul. But now when I am going to read news about military or checking my Flickr photos I can't go inside. Suddenly a message appears: “This is restricted due to Un-Islamic issues in it!!!!!”

“Tsy mety mino aho fa tena henjana ny Sivana ao Iran raha tany Kabul aho. Saingy ankehitriny, raha saika hamaky vaovao momba ny miaramila aho na hijery ny sariko tao amin'ny Flickr, tsy afaka niditra tao. Nisy hafatra nipoitra tampoka hoe: “Voafetra ity noho ny olana tsy islamika ao anatiny !!!!! “