Bitsibitsika Afgana : Fiarahamonim-pirenena, Kolikoly Ary Fitondrana Laika

(Marihina fa tamin'ny 21 febroary 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Manoratra momba ny fiarahamonim-pirenena ao AfganistanaSafrang  :

“As the world is becoming a small but global village such proceedings not only entails scattering within the human family but also undermines the efforts for peace and solidarity around the globe.

The civil society of Afghanistan, likewise, does not consider resorting to violence a rational solution to religious, social, cultural and political problems.

Therefore, we urge that people from all cultures, civilizations and religions, pave better grounds of dialogues with respect to and acceptance of one another. Realization of such a vision can liberate the human race from all forms of torture, contempt and humiliation as well as facilitates to have a beatific and immune life which every human being deserves in our common home, the earth.”

“Satria lasa tanànakely madinika iray kanefa manerantany ity tontolo ity dia tsy miteraka fotsiny ny fisaratsarahana ao anatin'ny fianakavian'olombelona ny zava-misy toy izany, fa manimba ihany koa ny ezaka atao amin'ny fandriampahalemana sy ny firaisankina manerana izao tontolo izao.

Tsy mihevitra ny hampiasa herisetra ho vahaolana lojika amin'ny olana ara-pinoana, ara-tsosialy, ara-kolontsaina ary ara-politika ihany koa ny fiarahamonim-pirenena ao Afganistana.

Noho izany, mandrisika ireo  olona avy amin'ny kolontsaina, sivilizasiona ary fivavahana isankarazany izahay mba hanokatra làlana tsara kokoa hisian'ny fifanakalozan-kevitra miaraka amin'ny fifanajana sy ny fifanekena. Hanafaka ny taranak'olombelona amin'ny karazana fampijaliana, faniratsirana ary fanalam-baraka ny fanatontosana fomba fijery toy izany ary mitondra hafaliana sy filaminana amin'ny fiainana  izay mendrika ny olombelona rehetra eto amin'ity fonenana iombonantsika ity dia ny tany izany. “

Nanoratra momba ny kolikoly manerana ny firenena sy ao amin'ny governemantaSohrab Kabuli . Tsy dia manantena loatra ihany koa izy momba ny vokatr'ilay fihaonambe tany Londres. Nilaza izy fa hita eny rehetra eny ny herisetra sy ny varotra zava-mahadomelina an-tsokosoko.

Nilaza i Gap az Gap  fa dingana mankany amin'ny fahafahana sy mankany amin'ny fepetra tsara kokoa ho an'ireo vehivavy Afgana sy ny vondrom-poko voateritery samihafa ao Afganistana ny fepetra ara-politika laika sy tsy miorina ara-pivavahana rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.