- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jordania: Ny Bilaogin-dahatsarin'ny Mpanjakavavy Rania

Sokajy: Jordania, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny 3 Septambra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nosaloran'ny Blogger Times [1], gazetibokin'ny bilaogy tantanan'ireo bilaogera Arabo,  ny anarana hoe “bilaogeran-dahatsary Arabo malaza indrindra ” tao amin'ny YouTube ny mpanjakavavy Rania any Jordania  taorian'ny fahombiazan'ireo [2]andian-dahatsary tao amin'ny YouTube izay nalefany mba hiadiana amin'ny karazana fiheveran-diso mikasika ny Arabo.

Araka ity lahatsoratra ity:

تجلس الملكة رانيا العبد الله داخل مكتبها الفسيح في عمان بالأردن بينما تركز عليها ثلاث كاميرات.
الكاميرتان الأولى والثانية هما للبي بي سي في حين أن الكاميرا الثالثة هي لأعضاء مكتبها، والكاميرات الثلاث تصور أحدث حلقة من برنامجها الذي يُبث في قناتها الخاصة المسماة V-log على موقع يوتوب الخاص بمقاطع الفيديو.
وهذه هي الحلقة السابعة أو الفيديو السابع منذ أن بدأت الملكة رانيا بث أحاديثها على موقع يوتوب في شهر مارس/آذار الماضي.
وتلقي الملكة رانيا أحاديثها باللغة الإنجليزية، إذ تطلب من المشاهدين أن يخبروها ببعض الصور النمطية التي سمعوها عن العالم العربي حتى يتسنى لها “تفكيكها واحدة تلو الأخرى”.
قد لا تكون عقيلة العاهل الأردني عبد الله الثاني، الشخصية العامة الوحيدة التي تستخدم موقع يوتوب الذي يقبل على مشاهدته ملايين المشاهدين؛ فهناك سياسيون وملوك في مناطق مختلفة من العالم قد أنشأوا مواقع لهم على شبكة الإنترنت.
لكن ما تتفرد به الملكة رانيا عن الباقي هو أنها الشخصية العربية الوحيدة التي تستخدم الإنترت للانخراط في حوار مع الغرب والترويج للخطاب الإسلامي المعتدل.
تقول الملكة رانيا مازحة “ابني المراهق شخص قليل الكلام لكن انطباعه (بشأن الأحاديث) كان “جيدا”، وبالتالي فإن انطباع المشاهدين لا بد أن يكون جيدا”.
ويبدو أن زوار موقع يوتوب يتفقون معه فيما ذهب إليه إذ أن ما يربو على مليوني مشاهد شاهدوا حلقات الفيديو التي بثتها على موقع يوتوب.
وتضم هذه الحلقات تسجيلات لها إضافة إلى مساهمات من موسيقيين وكوميدييين مختلفين ومواطنين أردنيين.

Mipetraka ao amin'ny birao lehibe iray any Amman, Jordania, ny mpanjakavavy Rania ary misy fakantsary telo mitodika any aminy. Ho an'ny BBC ny fakantsary voalohany sy faharoa ary ho an'ny mpiasan'ny kabinetrany ny fahatelo. Nandrakitra ny fizarana farany tamin'ny fandaharany ireo fakantsary telo, izay nalefa tao amin'ny fantsona Youtube manokana, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Vlog (bilaogin-dahatsary). Ity ny andiany faha-7 tamin'ny lahatsariny hatramin'ny nanombohany nandefa lahatsary tao amin'ny YouTube tamin'ny volana martsa lasa teo. Miresaka amin'ny teny Anglisy izy ary mangataka ny mpijery mba hiresaka momba ireo karazana fiheveran-diso izay ren'izy ireo momba ny tontolo arabo mba hahafahany “manitsy izany rehetra izany”.

Tsy ny vadin'ny mpanjakan'i Jordania Abdullah II ihany no olona fanta-daza mampiasa ny Youtube, izay jeren'ny olona an-tapitrisany fa misy ihany koa ireo mpanao politika sy mpanjaka hafa avy any amin'ny faritra samihafa manerana izao tontolo izao izay namorona tranonkala manokana tao amin'ny aterineto.

Saingy ny tena nampiavaka  ny mpanjakavavy Rania dia izy irery ihany no  Arabo fanta-daza izay nampiasa ny aterineto mba hanombohana ny resaka miaraka amin'ny Tandrefana sy hampiroboroboana ny lahateny Islamika voafehy.

Hoy ny mpanjakavavy Rania nananihany hoe: “Olona tony izay manana natiora tsy dia be teny loatra ny zanakolahy, kanefa nahatsapa izy fa ” tsara ” ny kabariko, ary tokony ho tsara ihany koa ny fahatsapan'ny mpijery izany. “

Toa hita fa niombon-kevitra tamin'izany ireo mpitsidika ny YouTube, satria manodidina ny mpijery miisa 2 tapitrisa no nijery ireo lahatsary nahitana ny fandraisam-peony, ny fandraisan'anjara avy amin'ireo mpiangaly mozika isankarazany, mpanao hatsikana ary ireo olon-tsotra Jordaniana izay nalefa tao amin'ny TouTube.

Mitohy ny lahatsoratra:

وأتاح ظهور الملكة رانيا على الشبكة العنكبوتية لها إمكانية تلقي انتقادات الملايين من الناس.
وأسرت الملكة لي قائلة ” عندما قلبت في ذهني فكرة بث تسجيلات لي على موقع يوتوب، نظر إلي بعض الناس وكأنني فقدت صوابي تماما”.
وتابعت قائلة “أشعر أن عالمنا يعيش أزمة في الوقت الراهن؛ فالعنف حل محل الحوار والغضب حل محل العطف”.
ومضت قائلة “آمل أن تصبح هذه القناة قناة اتصال وتواصل بين الشرق والغرب لأنني أعتقد جازمة أن عالمنا في أمس الحاجة إلى ذلك”.

Nahafahany nandrakitra ny fanehoan-kevitr'ireo olona an-tapitrisany ny fisehoan'ny mpanjakavavy Rania tao amin'ny fantsony tao amin'ny aterineto. Araka ny nolazainy tamiko hoe: ” Nisy olona nijery ahy toy ny hoe very saina tanteraka aho rehefa tonga tao an-tsaiko ilay hevitra.” Hoy hatrany izy nanohy, “tsapako fa ao anaty krizy ny tontolontsika ankehitriny,  nisolo ny fifanakalozan-kevitra ny herisetra ary nisolo hatezerana ny fangoraham-po.” Manantena aho fa ho lasa fantsom-pifandraisana sy ho tetezana manelanelana ny Atsinanana sy ny Andrefana ity fantsona ity satria tena miaiky tanteraka aho fa mila izany tokoa ity izao tontolo izao-ntsika ity. “

Azonao atao ihany koa ny mijery ireo lahatsarin'ny mpanjakavavy  Rania mivantana ao amin'ny fantsony [3](lahatsary).