Ny Bitsibitsika Afgana : Hankalaza Sa Tsia!

(Marihina fa tamin'ny 8 May 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Miresaka momba ny tsingerintaona nahavotsotra an'i Kabul ho eo am-pelatànan'i Mujahedin ireo bilaogera Afgana. Tsy mitovy hevitra izy ireo na hankalaza izany na tsia. Nahoana no tokony hankalaza io andro io ny vahoaka Afgana? Moa ve nahazo fahafahana, rariny izy ireo na …. Nilaza ilay bilaogera fa vao mainka hitondra ady mandritra ny folo taona hafa indray ity hetsika ity. Hoy izy,

Afghans did not fight holy war for justice, prosperity,…To understand why they celebrate you should get how Afghans look at things and their value system. Bravery is a value in itself and outcome is not that important.

Ny Afgana dia tsy niady ady masina hitady rariny, na fanambinana, … Mba hamantaranao hoe nahoana izy ireo no mankalaza dia tokony ho fantatrao ny fomba fijerin'ny Afgana ny zava-misy sy ny fomba fisainany.  Misy lanjany manokana ny herimpo ary tsy ny vokatra no zava-dehibe .

Nilaza momba ity hetsika ity i Dialogue 3 fa ny jihad (ady masina) no ankalazaintsika fa tsy ny olona (ireo mpitarika Mujahedin) toa an'i Rabbani, Syaaf ary ny hafa. Nirotsaka an-tsehatra tamin'ity ady manohitra ny fanafihana vahiny ity ny vahoaka ary mankalaza izany isika.

Miresaka momba ity andro ity ho anisan'ireo andro nampalahelo indrindra tamin'ny tantaran'ny firenena i Yadshtayi az Gharb (Fanamarihana avy any Andrefana). Nanoratra izy fa nanatri-maso ny zava-tsarotra ratsy indrindra teo amin'ny tantaran'ny Afganistana tao anatin'ny zato taona farany ny vahoaka. Ny andro taorian'ny nidiran'i Mujahedin tao Kabul, nipoaka ny ady teo amin'ireo vondrona Mujahedin isankarazany.

Miresaka momba ny maha-zavadehibe ny diplaomasia matihanina ho an'ny firenenaNikobad. Hoy ilay bilaogera raha nanoratra

“Afghanistan must play as one actor on international scene . Political parties, parliamentary groups, ministries, and anybody else can not have its own foreign policy. If not there will be a lot of divisions between diplomacy and strategy of foreign policy which at the end failure a weakness will be its consequences for Afghanistan in region and in the world.

“Tokony handray anjara amin'ny sehatra iraisam-pirenena i Afganistana. Tsy afaka manana ny politikany ivelany manokana ireo antoko politika, vondrona parlemantera, minisitera ary ireo hafa rehetra. Raha tsy izany dia hisy ny fisaratsarahana maro eo amin'ny diplaomasia sy ny paikadin'ny politika ivelany, izay hiteraka fahalemena ho an'i Afganistana any amin'ny faritra sy manerantany rehefa tsy mahomby izany amin'ny farany .

Nanampy ilay bilaogera fa mila diplaomaty manerantany i Afganistana fa tsy ireo diplaomaty mahazatra fotsiny. Nanazava izy fa ny diplaomaty mahazatra dia ireo izay, tsy manana fahalalahana momba ny firenena vahiny kanefa mamita iraka noho izy ireo tsara fifandraisana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.